Ao anatin’ny fitetezam-paritra ny Ankolafy Telo amin’izao fotoana izao. Ny sabotsy 21 aogositra teo dia Antsirabe, renivohitry ny faritra Vakinankaratra no notsidihan’ireo solontena sy mpitari-tolona avy amin’ny firehana Ravalomanana, Ratsiraka ary Zafy Albert.
«Tsy ataontsika vorona azon’adala i Vakinankaratra», hoy Rtoa Lalatiana Ravololomanana, filohan’ny Manda ho an’ny Firaisampirenena. «Tsy misy fanjakana tan-dalàna eto amintsika”, hoy izy nanitrikitrika ka isika no hamerina izany. “Aleo hiverina ireo filoha roalahy hidinika ny hamahana ny krizy fa tsy azo ekena intsony ny sesitany”, hoy ihany izy. Nohizingizininy fa “tsy mila an-dRajoelina hitantana ny tetezamita ny vahoaka ka tokony hiala izy”. Tetsy ankilan’izany dia nohamafisin’i Fetison Rakoto Andrianirina, lehiben’ny delegasion’ny Ankolafy Ravalomanana, fa “ny satan’i Mpauto sy Addis Abeba no sori-dalana tsara efa hita fa hahafahan’i Madagasikara mivoaka amin’ny krizy, ahazoana avy hatrany ihany koa ny fankatoavana iraisam-pirenena”. Fantatra fa efa misy ihany koa fampiasam-bola vonona, azo ampiasaina avy hatrany hampiharana izany sata izany hivoahana haingana amin’izao krizy izao. Santionany amin’izany, raha ny fanazavan’i Fetison Rakoto Andrianirina ny 80 tapitrisa dolara avy amin’ny fanjakana amerikanina.
Ankoatra izay dia nasian’ny lehiben’ny delegasion’ny ankolafy Ravalomanana teny ihany koa ny fitakiana famoahana ireo gadra politika sy ireo mpanao gazety, ireo miaramila voatana any am-ponja, ny fahalalahan’ny fanehoan-kevitra sy ny famoahana ireo haino aman-jery nakatona. Nekena, hoy izy ny nialan’i Andry Rajoelina ao amin’ny ankolafy nisy azy satria “efa tsy nanaja ny sonia nataony izy, nivadi-pitokisana ihany koa tamin’ny vahoaka, ka tokony hiala”. Momba ny dinika moa dia nilaza i Fetison Rakoto Andrianirina fa mila hery fampiharana (force éxécutoire) isika, ary mila foloalindahy tsy momba ny atsy na ny eroa. Efa neken’ny SADC rahateo moa ny fanelanelanan’ny fiarahamonim-pirenena. Ireo nifandimby nandray fitenenanana tao amin’ny Magro Avaratsena Antsirabe dia samy nanamafy fa «hijoro hatramin’ny farany amin’ny fiverenana amin’ny ara-dalàna, ka miverina Ravalomanana sy Ratsiraka ary ireo sesintany».
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.