Politique

Fetison Rakoto Andrianirina “Efa ampy izay fotoana lany izay”


  • Alarobia 14 Aprily 2010

Maro ny fanontaniana mibosesika ao am-bavan’ny maro tamin’ny fisesin’ny vaovao faramparany teo toy ny filazana fa misy fifanarahana miafina teo amin’ny Ankolafy Ravalomanana sy Rajoelina, nisy ny solontenan’ny ankolafy Ravalomanana voalaza fa nihaona manokana tamin’ny mpitondra FAT... Nanaiky hitondra fanazavana manodidina ireny i Fetison Rakoto Andrianirina, lehiben’ny delegasionan’ny ankolafy Ravalomanana.

Tia Tanindrazana (T.T) : Mandeha ny resaka tato ho ato fa misy fifanarahana miafina teo amin’ny Ankolafy Ravalomanana sy Rajoelina hitadiavana vahaolona. Ahoana marina ny fandehan’izany?Fetison Rakoto Andrianirina (F.RA) : Tsy miafina amintsika fa miezaka hanampy antsika Malagasy ny firenena frantsay sy ny Afrikanina Tatsimo miaraka amin’ireo izay efa nanaraka ny toe-draharaha teto Madagasikara. Ao anatin’izany indrindra no hisian’ny fifanatonana etsy sy eroa. Ny tanjona dia ny hahitana ny vahaolana mifanandrify amin’izao olana be iainantsika ankehitriny izao. Na dia miezaka ny mitady vahaolana eo amin’ny samy Malagasy anefa isika dia tsy azo odian-tsy hita ny fankatoavana iraisam-pirenena. Na izany aza, na inona na inona resaka mandeha etsy sy eroa, ny Filoha Marc Ravalomanana no tompomarika farany amin’ny fanapahan-kevitra. Iraisan’ny ankolafy rehetra ny hoe ny Filoha Mpitarika ny Ankolafy no tompon’ny teny farany. 

T.T : Nisy ny solontenan’ny ankolafy Ravalomanana voalaza fa nihaona manokana tamin’ny Mpitondra FAT, inona no azo ambara manoloana an’izay ? Nahazo fankatoavana tamin’ny Filoha Ravalomanana ve ?
F.RA : Mazava ny tenin’ny Filoha Ravalomanana mikasika ny tsy tokony hisian’ny fihaonana raha tsy vory avokoa ny ankolafy efatra. Efa nantsoina handravona an’izao olana izao ny ankolafy efatra (Zafy, Ratsiraka, Ravalomanana sy Rajoelina) ary efa nifanaiky ny hiaraka hamaha ny olana. Noho izany dia tsy maintsy ny fivorian’ny ankolafy efatra ihany no hahafahana mamaha ny olana. Ny mifanohitra amin’izany dia fampiadiana ny samy Malagasy ary fandranitana adim-poko.
 
T.T : Nangataka soridalana hitondrana ny Tetezamita tamin’ny Filohan’ny FAT ny foloalindahy. Raha tsy mahafapo ny valiny, inona no ataonareo ?
F.RA : Fandaniam-potoana no fahitana an’izany satria efa ho herintaona mahery izao no nitady izany soridalana mazava arahim-pamatsiam-bola izany Atoa Andry Rajoelina kanefa tsy nahitam-bokatra. Rehefa tsy manaiky ny hametraka ny rafitra nifanarahana dia naman’ny manala ny tenany izy. Tsy vahaolana ny fiziriziriana amin’ny hevi-diso. Efa ampy izay fotoana lany izay.
 
T.T : Nangataka ihany koa ny Foloalindahy ny hampijanonana ny hetsika eny an-dalambe fa tokony hiaraka hanangana firenena vaovao ianareo. Ny hevitrareo ?
F.RA : Rehefa mahazo toerana hivoriana toy ny kianjan’ny Demokrasia ny ankolafy telo dia tanteraka izany faniriana izany. Ny fananganana firenena vaovao dia tokony hiainga eo amin’ireo ankolafy efatra. Raha tena vonona marina ny rehetra, tsy ho sarotra ny mahita vahaolana.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

  • POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila mailo ihany ny tanora

  • RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Tsy nanao amboletra naka Fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT