Manoloana ny trangan-javatra namoizana aina sy nandratrana olona maromaro teny Fort Duchesne omaly alakamisy 20 mey, dia nanao fanambarana ny filohan’ny delegasiona Ankolafy Ravalomanana, Fetison Rakoto Andrianirina, nilaza fa «mampivarahontsana ny toe-draharaha ankehitriny.
Tsy vitan’ny tsy fifankahazoana ara-kevitra fotsiny fa mifanenjika, mifandrafy, tsy eo amin’ny samy mpanao politika ihany fa hatrany amin’ny tafika. Hitera-doza ho an’ny firenena izany, hoy izy. Tsy azo hodian-tsy hita ny zava-misy niainan’ny vahoaka Malagasy indray androany (omaly), hoy i Fetison Rakoto Andrianirina. Nirefotra indray ny basy. Nisy ny naratra, tao ny maty na teo amin’ny sivily izany na teo amin’ny miaramila. Miara-malahelo isika rehetra noho izany, satria tsy toe-tsaintsika Malagasy ny mifamono. Saro-pady loatra ny aina ka tandrovana mafy. Eo anoloan’izany ary dia manao antso avo, ny Ankolafy Ravalomanana, «aoka re hanjaka eto ny fahafahana sy ny falalahana maneho ny hevitra. Aoka atsahatra ny fampiasana hery ». Ndeha ary hikaroka vahaolana hivoahana amin’izao krizy izao, hoy i Fetison Rakoto Andrianirina. Tsy misy mihitsy ny hoe saro-bahana raha eo ny finiavana sy ny fiarahana hifampidinika hifanazava.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.