Fandaminana ny krizy, namoaka fanapahan-kevitra ireo filoham-pirenena eo anivon’ny SADC nivory tao Sandton, nandroso soso-kevitra ho fanitsiana ny tondrozotra ny Sekretera mpanantateraky ny SADC, Dr Tomaz Salomao. Hafa no filazan’Atoa Dr Leonardo Simao raha nandalo teto, misavorovoro ny sain’ny vahoaka. Manana ny heviny Atoa Fetison Rakoto Andrianirina.
Tia Tanindrazana (TT) : Toa misafotofoto be ny resaka politika tato ho ato. Fa inona marina ny zava-miseho ? Misy azon’ny vahoaka antenaina ihany ve ?
Fetison Rakoto Andrianirina (FRA) : Mazava tsara ny fanapahan-kevitra noraisin’ny SADC tany Sandton farany teo. Ekena ny tondrozotra rehefa tovanana fanitsiana. Zava-dehibe izany. Tokony hahay hanararaotra an’izany isika satria voakasik’izany avokoa na ny ankolafy efatra na ireo vondrona mpanao politika niforona teny Ivato. Ampy izay 27 volana nampahoriana ny Malagasy izay !
TT : Inona tokoa moa ireo fanitsiana tokony hatao ao amin’ilay tondrozotra ?
FRA : Fanamboarana an’ireo Andrim-panjakanan’ny rafitra Tetezamita sy ny fampodiana an’ireo nitsoa-ponenana noho ny resaka politika. Tsy ny fanapahan-kevitra no zava-dehibe fa ny hafatra entiny. Tiany hampitaina amintsika Malagasy fa tsy vahaolana ny fanilikilihana amin’izao fanomanana ny fiverenana amin’ny fitondrana ara-dalàna izao.
TT : Izany hoe tsy voatery hampiharina izany io fanapahan-kevitry ny SADC tany Sandton io ?
FRA : Aoka isika tsy hanaratsy tena toy ny omby latsika manoloana ny fiombonana iraisam-pirenena, ka isika hanateran-kira indray no hilaza ho tsy mahay mandihy. Efa nomena antsika ny tolo-kevitra hamahantsika ny olana. Tokony hijery ny fampiharana an’izany izany isika izao.
TT : Amin’ny fomba ahoana ?
FRA : Mba hahafahana mampihatra sy mampiaina ny tondrozotra dia tsy maintsy misy tovana hoentina. Tokony hanaiky isika fa ny Praiminisitra ankehitriny dia tsy mamaly ny andininy faha-5 amin’ilay tondrozotra. Raha ny dikan-teny ao aminy dia ho anjaran’ny mpanohitra an’izao fitondrana izao ny manendry izay ho lehiben’ny governemanta. Fanitsiana amin’ny fampiharana ny tondrozotra izany fa tsy fanovana azy akory. Nohazavaina kosa ny andininy faha-20 momba ny fampodiana ireo Filoha teo aloha mirahalahy. Ary farany, atao mazava tsara ny handaminana an’ireo Andrim-panjakanan’ny Tetezamita. Ahoana ny fomba hitsinjarana an’izany sy ny fomba hametrahana an’izany ? Tsy voalaza tao amin’ilay tondrozotra natao rango-pohy teny Ivato izany. Ary izany no miteraka an’izao savorovoro izao.
TT : Atoa Leonardo Simao kosa anie toa efa nilaza fa tsy misy azo ovaina ny governemanta ary ny fodian’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana dia hapetraka amin’ny rafitra Tetezamita. Ahoana ny fahitanao an’izany ?
FRA : Misalotra ny randrana tsy sahaza azy Ingahy Simao ary nampiseho ny fetran’ny fahaizany amin’ny fitondrana vahaolana izy. Vokatry ny tsy fandraisan’andraikitry ny mpanao politika malagasy izany. Mety hiteraka ady anatiny eo amin’ny samy Malagasy izany raha tsy mahay isika.
TT : Hisy fifanarahana vaovao indray izany ve ?
FRA : Tsia, mitady ny hevitra hampiharana an’iny tondrozotra iny no tokony hataon’ny mpanao politika tsy ankanavaka. Ary efa mitady ny fomba hanaovana an’izany izahay amin’izao fotoana izao. Ireto avy no tokony hodinihina amin’ny fampiharana ny tondrozotra voahitsy : ny mpikambana ao amin’ny rafitra mpanatanteraka, ny famerana ny isan’ny mpikambana ao amin’ireo rafitra roa mpanao lalàna, ireo izay handrafitra ny CENI na ny komity mpanomana ny fifidianana, ireo mpikambana ao amin’ny CCC na ny Komity mpanomana ny lalampanorenana satria tokony handraisana ny hevitry ny rehetra ny fanamboarana, ny famerana ireo izay ho mpikambana ao amin’ny CMDN na Komity miaramila momba ny fiarovam-pirenena, handravonana ny disadisa misy eo amin’ny foloalindahy malagasy, ny fifampihavanam-pirenana.
TT : Koa raha tsy mety ny Fitondrana ankehitriny, dia inona no ataonareo ?
FRA : Ndao hiaraha-mandresy ny hakanosana na sanatria famoizam-po amin’ny tsy fahombiazana sy ny fandehanana an-jambany amin’ny fitiavam-pahefana tafahoatra sy tsy ara-drariny isika. Miantso sahady an’ireo tompon’andraikitra ara-politika aho handinika tsara satria miankina aminy ny hoavin’ny Malagasy rehetra.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.