Politique

Fetison Rakoto Andrianiriana Tsy ho ela ny fahafahana


  • Alatsinainy 08 Martsa 2010

Roa volana lasa izay no tsy nahitana ny filoha mpiara-mitantana ny tetezamita Fetison Rakoto Andrianiriana sy ny filohan’ny Kongresy, Mamy Rakotoarivelo, teny amin’ny kianjan’ny ara-dalàna.

Izy mirahalahy ireto moa dia saika miara-dia hatrany amin’izay rehetra aleha, amin’ny ankapobeny. Ny sabotsy 06 martsa teo dia niara-tonga teny an-kianja izy ireo. Nanamafy ny filohan’ny Kongresy fa tsy ho ela dia hofaranana ny tolona. Tsy ny feon’olona 300 tsy fantatra hoe avy aiza no hiteny hoe hanangana Antenimieram-panorenana ka hanaovana izany, hoy izy. Ety an-kianja, no mitaky ny fampiharana ny satan’i Maputo sy ny tovana tany Addis Abeba. Feo tokony hohenoina ireo, hoy izy satria maro an’isa.  Efa voasonia rahateo ka tsy maintsy tanterahana, hoy izy. 

Tetsy an-danin’izany dia nisaotra sy nankasitraka ireo vahoaka nameno ny kianjan’ny ara-dalàna ny filoha mpiara-mitantana izay nanamarika fa tsy niova ny hafanam-pon’ny vahoaka na dia eo aza ny fahasahiranana. “Rehefa tsy mipetraka ny satan’i Maputo dia tsy tafavoaka isika”, hoy izy. Ny fampiharana izany ihany no hiverenan’ny famatsiam-bola sy ny fanampiana, ireo fiaraha-miasa rehetra ary ny hiverenan’ny filoha Ravalomanana sy ny filoha Ratsiraka. “Rehefa tsy hanaiky ny satan’i Maputo dia tokony hiala”, hoy ihany i Fetison Rakoto Andrianiriana. “Ho avy isika amin’ny fametrahana ny satan’i Maputo sy Addis Abeba”, hoy ihany ny filoha mpiara-mitantana. Manoloana ny nandavan-dRajoelina ny ho any Addis Abeba moa dia tsotra ny fahitan’i Fetison Rakoto Andrianiriana azy : “mitsoaka adidy”. Vokatr’izany, hoy izy, dia nofoanana ny fivoriana. Ary rehefa nofoanana ny fivoriana dia midika izany fa manangasanga  ny sazy mitatao amin’ny firenena. “Miangavy hihafy kely. Fotoana fohy no angatahana. Ho avy tsy hoe ela ny fahafahana sy ny fandresena”, hoy ihany ny filoha mpiara-mitantana ny tetezamita.
 
Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT