Fametrahana fitoniana ara-politika, fisian’ny fifamelana ary fisian’ny fampihavanana eto amin’ny tany sy ny firenena : ireo zavatra telo ireo no takiana raha tiana tokoa ny hamaha izao krizy efa naharitra herintaona mahery eto amin’ny firenena izao, hoy i Fetison Rakoto Andrianiriana, lehiben’ny delegasiona ankolafy Ravalomanana raha nikabary tao amin’ny kianjan’ny finoana ny sabotsy 07 aogositra lasa teo.
Ny fahatongavan’ny olona maro eny amin’ity kianja ity, araka ny lahateniny dia porofo fa tsy mbola milamina ny eto Mdagasikara. Manoloana izany, na inona hevitra na dinika atao etsy sy eroa kanefa tsy nahazo ny fankatoavan’ireo ampahana vahoaka mitaky ny fiverenana amin’ny ara-dalana sy ny Ankolafy 3, dia zava-poana avokoa. Ny fitoniana ara-politika dia mitaky ny famoahana ireo gadra politika rehetra sy ireo mpanao gazety, araka ny fanazavan’i Fetison Rakoto Andrianiriana ihany. Ny fifamelana indray dia midika kosa ny fiverenan’ireo rehetra sesintany tany ivelany eto an-tanindrazana, isan’ireny Ravalomanana Marc, hiara-hitady izay vahaolana ary ny fampihavanana dia fifanantonana eo amin’ny samy mpifanandrina. Raha tsy ireo no tanteraka dia sarotra ny hahitana vahaolana, hoy ihany ny lehiben’ny delegasion’ny ankolafy Ravalomanana. Nanamarika izy fa tsy nisy maha samihafa ny zavatra tapak’ireo antoko politika milaza fa mitambatra sy ny voasonia tany Maputo izay mifototra amin’ny tenierana sy ny fiaraha-mitantana. Raha nampiharina anefa ireo fifanarahana nosoniavina ireo, araka ny fanazavany, dia efa nisy lalam-bola napetraky ny fianakaviambe iraisam-pirenena hanatanterahana izany.
Ny zava-misy amin’izao fotoana izao, raha ny lahatenin’i Fetison Rakoto Andrianiriana azy ihany dia tsy azo ampaisaina ilay 100 tapitrisa dolara satria mbola tsy ao ny fankatoavan’ireo mpanao lalàna, dia ireo Parlemantera. Izany no antony anambatambazana ireo depiote. Na inona anefa hatao na inona, rehefa tsy iarahana amin’ny Ankolafy 3 dia ho zava-poana avokoa izany, hoy ihany Fetison Rakoto Andrianiriana izay nanamafy ihany koa fa tsy hisy dikany avokoa ny ezaka rehetra raha tsy misy ny fankatoavana iraisam-pirenena. Fantatra fa amin’ity anio ity dia hihaona amin’ny fiaraha-monim-pirenena ny ankolafy Ravalomanana. Amin’izany no hitondran’ireo delegasiona izay ahitana ireo Parlemantera ny hetahetan’ny ankolafy sy ireo mpiara-dia aminy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.