Politique

Fetison Rakoto Andrianiriana «Mitohy ny tolona»


  • Alatsinainy 07 Jona 2010

Niavaka noho ny mahazatra ny zava-nisy teny Behoririka ny sabotsy lasa teo. Nankahery ireo mpitolona ho amin’ny famerenana ny ara-dalŕna ny fahitana ireo lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny ankolafy telo, tsy fahita an-kianja loatra, toa an-dRaharinaivo Andrianatoandro, Rakoto Andrianirina Fetison, Rakotoarison Yves Aimé na i Mémé izay hamantaran’ny maro azy, raha tsy hiteny afa-tsy ireo.

Anisan’ny niteraka resabe ny nanoloran’ny Solontenan’ny Papa Ray Masina eto Madagasikara, ny Mgr Eugène Martin Nugent, ny taratasy manendry azy hiasa eto amintsika tamin’ny FAT. Anisan’ny nisongadina tamin’ny lahatenin’ny filoha mpiara-mitantana ny tetezamita, araka ny fifanarahana tovana tany Addis Abeba, Rakoto Andrianirina Fetison ny nilazany fa “karazana dika mitovy fa tsy ilay tena izy no natolotra ny minisitry ny raharaham-bahinin’ny governemanta FAT teto Madagasikara”. Ankoatra izay dia nahitsy koa ny teniny momba ny hetsiky ny ara-dalàna. “Hotohizana ny tolona mandra-piverin’ny ara-dalàna eto Madagasikara”, hoy izy sady nanoritsoritra fa “nosetrasetraina hatrany ny mpandala ny ara-dalàna tao anatin’izay 14 volana izay saingy mbola mijoro”.

 Nohamafisiny ihany koa fa “tsy hanatrika ny dinika politika karakarain’ny FAT ny 14-17 jona ho avy izao ny ankolafy Zafy, Ratsiraka ary Ravalomanana ary tsy hanatrika izany ihany koa ny Malagasy”. Momba ny raharaha Soalala sy ilay 100 tapitrisa dolara ireharehan’ny FAT kosa dia nambaran’i Fetison Rakoto Andrianirina fa be lavitra noho io 100 tapitrisa dolaran’i Solala io no efa vonona ho an’i Madagasikara raha niaraha-nitantana ny zavatra rehetra. Raha nandray fitenenana kosa ny depiote Zafilahy Stanislas, dia namaky bantsilana fa “tsy mieritreritra vahoaka ny ankamaroan’ireo mpanao politika malagasy, hany ka dia nohararaotin’ny Frantsay izany hatramin’izay ka hatramin’izao”. Notsiahiviny koa fa “tsy noho ny amin’ireo lohandohan’ny mpisorona akory no hitolomana tao anatin’izay herintaona mahery izay fa ny hamerenana ny ara-dalàna sy ny hiverenan’ny filoha nofidiam-bahoaka, ary ny fanesorana ireo mpanongam-panjakana”.

 
Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT