Politique

Fetison Andrianirina Tsy mivadi-belirano amin'ny filoha Ravalomanana izahay


  • Alarobia 10 Novambra 2010

Tonga tampoka nidina teny Ampangambe Anosipatrana, ny tolak'andron'ny Talata 09 Novambra 2010, ny delegasiona notarihan'ny filoha mpiara-mitantana Fetison Rakoto Andrianirina niaraka tamin'ny solombavambahoaka voafidy teto amin'ny boriborintany fahaefatra, Atoa Felix.

Hafaliana ny an'ireo vahoaka nahita ireto solotenan'ny ankolafy Ravalomanana nidina teny aminy ireto .Nitaraina mafy ireo vahoaka mikasika ny tsy fahafaham-pony momba ny fikatonan’ny Radio Fahazavana.Nilaza ihany koa ireo renim-pianakaviana fa mafy ny fiainana koa dia mihantraika any am-bilany ny fahantrana. Nanazava ihany koa i Fetison Andrianirina ny momba ny referandaoma amin’ny 17 Novambra 2010."Heverinay ho tsy misy io fifidianana io" satria hevitr'olon-tokana. Nilaza ity filohan'ny delegasion'ny ankolafy Ravalomanana ity fa "miseho sahady ny hosoka na dia mbola tsy mandeha  akory aza ny fifidianana, kanefa tsy maneho ny heviny ny CENI", etsy ankilany i Andry Rajoelina manao propagandy sahady amin'ny tsena mora sy ny fampanantenana isan-karazany, hoy izy .Tsy adinony ny nisaotra ny  vahoaka fa mbola tsy miala amin'ny filoha Ravalomanana , satria "tsy nataonareo ho  lavitry ny maso lavitry ny fo ny filohantsika" fa mbola maminareo hatrany, .Aza kivy fa izahay tsy mivadi-belirano aminareo hoy ingahy Fetison.Ny namaranany ity fitsidihana ity moa ny fanentanana ny vahoaka hamonjy ilay hetsika lehibe hatao etsy amin’ny kianjan’ny Malacam anio manomboka amin’ny 1 ora tolakandro.

Légende: Fetison Andrianirina nitafa tamin’ny mponina tao Ampangambe Anosipatrana

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT