Tsy ho anisan’ireo filoham-panjakana hahazo toerana ao amin’ny Place de la Concorde ka hanatrika ny matso lehibe ho fankalazana ny fetim-pirenena Frantsay ny 14 jolay ho avy izao ny filohan’ny HAT Andry Rajoelina.
Efa nandefa ny fanasana any amin’ireo olo-manan-kaja ny fitondrana Frantsay ary tsy nahazo izany satria tsy nandefasana ny filohan’ny HAT. Tsy te hanava-tena amin’ny vondrona eoropeanina sy izao tontolo izao i Frantsa ka tsy sahy nanasa olona nanongam-panjakana amin’ny fetim-pireneny. Araka ny tsiliantsofina re mantsy dia nitsivalana tamin’ny mety ho fanasana an’i Andry Rajoelina ary tena tsy nanaiky hatramin’ny farany mihitsy i Afrika atsimo sy ireo firenena rehetra mpikambana eo anivon’ny SADC. Tsy sahy niroso tamin’ny fikasany intsony, araka izany, ny fanjakana Frantsay satria anisan’ireo manana fifanakalozana ara-barotra matanjaka sy lehibe aminy ireo firenena eo anivon’ny SADC sy Afrika Atsimo, ka tsy mety ny hananganana ady amin’izy ireo. Izy ireo mitambatra rahateo dia matanjaka dia matanjaka ara-toekarena aty amin’ny kaontinanta Afrikanina.
Araka ny tsiliantsofina re ihany koa dia tsy afaka hanatrika ity fetin’ny 14 jolay ity ny ministry ny foloalindahy malagasy na dia misy aza ireo miaramilantsika handray anjara amin’izany. Raha ny resaka re hatreto dia mety ho ny CEMGAM, ny jeneraly Ndrianarijaona André no hitarika ireto miaramila Malagasy himatso ao Paris ireto. Izany rehetra izany dia mbola manaporofo hatrany fa tsy manana ny lanjany na dia kely aza, eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fitondrana FAT tarihin’i Andry Nirina Rajoelina, ka na dia ny mpanohana azy fatratra hatramin’izany aza tsy sahy manasa azy hanatrika ny fetim-pireneny. Ho an’ny mpanara-baovao politika dia mahatsapa tsara izao fa mihatra tsikelikely ilay sazy ho an’ireo mpitondra fanjakana, ary tena tapi-dalan-kaleha tanteraka izy ireo, fa dia eto Madagasikara sy manodidina ihany no mihodinkodina fa tsy afaka mandeha any Afrika sy Eorôpa intsony.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.