Politique

Fetim-pirenena samy naka ho azy Henatra sy fahafaham-baraka ho an’ny FAT


  • Talata 28 Jona 2011

Tsy misy fiatoana fa nitohy omaly avy hatrany ny hetsiky ny Rodoben’ny Malagasy ho an’ny Tanindrazana ao amin’ny Magro Behoririka.

 Niezaka ny mpitarika nanazava ny sain’ny mpitolona izay nisy niroaroa saina ihany manoloana ny fisian’ireo ambasadaoro vitsivitsy tonga tao Mahamasina ny 26 jona teo. Tsy zava-baovao anefa ireny zava-niseho ireny, satria ireo niatrika ny rangopohy ilay sori-dalana nampanaovin’ny Dr Leonardo Simao teny Ivato ny 09 martsa 2011 ihany no tonga tao. Ny amin’izay hoe midika fankatoavan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny fitondrana FAT ve ny fahatongavan’izy ireo dia nampahatsiahy ny mpandray fitenenana tao amin’ny Magro omaly, fa an-tsoratra no milaza izany saingy tsy nisy izany hatreto. I Andry Rajoelina rahateo nilaza fa tsy mila ka tsy maika amin’izany fankatoavana iraisam-pirenena izany.

Tsy azo adinoina fa henatra sy fahafaham-baraka lehibe ho an’ny FAT ny nankalazana ny fetim-pirenena tao anatin’ny fizarazarana tamin’ity 2011 ity, fa tsy Malagasy niray hina. Ny Depiote Henri Randrianjatovo dia nanamafy ny nambaran’ny Filoha Marc Ravalomanana nandritra ny fankalazana fetim-pirenena teo, fa efa nankinina tamin’Andriamanitra ny tolona hatramin’izay ka apetraka eo am-pelatanany ny hoavy. Tsy tongatonga ho azy rahateo ny fihetsiky ny FFKM tsy nipoitra tao Mahamasina ny 26 jona teo, hoy Ralaiseheno Guy Maxime.

 

Manohy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT