Politique

Fetim-pirenena Amerikanina Tsy natrehan’ny praiminisitra


  • Sabotsy 01 Jolay 2017

Nomarihina omaly zoma 30 jona teny amin’ny trano fonenan’ny Masoivoho Amerikanina Robert T. Yamate teny Ambaranjana ny faha-241 taona nahazoan’i Etazonia ny fahaleovantenany ho an’ny fanamarihana eto Madagasikara.

  Marihina fa ny 04 jolay 1776 no nahazoan’i Etazonia ny fahaleovantenany. Ny faha-150 taona, taom-pirahalahian'i Etazonia sy Madagasikara kosa no nanompanan'ny Masoivoho Robert T. Yamate ny lahateniny nandritra ny fanamarihana io fetim-pirenena Amerikanina io. Nampahatsiahiviny fa "raha nandefa tatitra nankany Washington Atoa Finkelmeier dia nilaza fa mponina tena malemy fanahy no hitany taty Madagasikara, tsara tarehy ireo tanàna manamorona ny ranomasina, ary manana harena voajanahary maro ity nosy ity, ka afaka manantena fandrosoana misongadina. (…) Hoy indrindra izy : 'Tena mihoatra be noho ny zavatra neritreretiko ny zavatra hitako aty Madagasikara'." "Fantatro, hoy ny Masoivoho, fa maro amintsika ankehitriny koa no mbola zendana ka milaza fehezanteny toy izany, toy ny hoe “Tena tsara lavitra noho ny zavatra neritreretiko mihitsy kay ny aty Madagasikara aty.” Nisolotena ny fanjakana Malagasy ny minisitry ny fiarovam-pirenena Rasolofonirina Béni Xavier, ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Jean Max Rakotomamonjy, ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana. Teny an-toerana ihany koa i Marc Ravalomanana, izay hany Malagasy voaasa tamin’ny fianianan’i Donald Trump. Mahagaga kosa ny tsy nahatongavan’ny praiminisitra teny an-toerana, izay toa efa manaporofo ny vaovao mivoaka amin’ny hanalana azy.


Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT