Politique

Feno ny kapoaka Hanao hetsika ankalamanjana ny Rodobe Toamasina


  • Alakamisy 28 Jolay 2011


 Taorian’ny fivoriana sy fihaonana nataon’ny Ankolafy telo sy ireo fikambanana maro mivondrona ao anatiny, dia hanatanteraka hetsika ankalamanjana eo an-tokotanin’ny Magro Tanambao V, ny Rodoben’ny Malagasy Toamasina, ny tolakandron’ny alahady 31 jolay izao. “Hiseho masoandro haneho ny hevitray amin’izay izahay, ka santatra ihany ity ao amin’ny Magro Tanambao V ity”, hoy ireo mpitarika ny Rodobe Toamasina. “Sahia mandray andraikitra amin’ny fanavotam-pirenena”, hoy ny ankolafy Marc Ravalomanana. “Mila antsika Rodobe ny Malagasy fa sempotry ny fahantrana noho ny ataon’ny FAT”, hoy kosa ny ankolafy Zafy Albert, ary mila mijoro ho tena Malagasy tia tanindrazana isika, hoy kosa ny teo anivon’ny ankolafy Ratsiraka. Ireo fikambanana hafa moa nilaza fa efa feno ny kapoaka izao ka tsy maintsy mitobaka, satria inian’ny FAT atarazoka mba hanangonan-karena ny fanovana nolazainy. Nambaran’ireo mpiara-mitarika ny rodoben’ny Malagasy Toamasina ihany, fa tsy maintsy tanteraka io hetsika ny alahady tolakandro io, na eo aza ny Emmo-Reg. Tsy mitsahatra mivory moa ireo mpiara-mitantana ny Rodoben’ny Malagasy Toamasina manomana ity hetsika ity, ary efa samy manentana ny vahoaka isam-pokontany hiatrika ny fampitam-baovao atao mandritra izay.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT