Politique

FAT tany New York Tsy niteny sa tsy navela hiteny ?


  • Zoma 24 Septambra 2010

Nankalazaina sy nataon’ny fiadidiana ny FAT (Fahefana Avon’ny Tetezamita) nipoapoaka ny filazana fa nahazo fanasana amin’ny anarany manokana avy amin’ny Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana, Ban Ki Moon, hamonjy ny fivoriambe faha-65 tanterahina any New York, i Andry Rajoelina, hidinika sy hanao tombana ny ezaka vita amin’ny fanatrarana ny tanjon’ny taona arivo fahatelo, miaraka amin’ireo firenena 192 mikambana ao amin’ity fianakaviambe ity.

Tsy atao mahagaga aloha ny amin’io fanasana io, fa amin’ny maha tany mpikambana, manana zo feno, an’i Madagasikara eo anivon’ny Firenena Mikambana dia tonga hatrany ny fanasana toy ireny. Efa nahazo toy izany ireto mpitondra FAT ireto tamin’ny taon-dasa, saingy tamin’ity dia delegasiona notarihin’ny ministry ny raharahambahinin’ny FAT, Ramaroson Hippolyte, no nalefa hisotena an’i Madagasikara, fa mbola sahirana amin’ny fandinihana ny fampiharana ireo fehin-kevitra tapaky ny mpizaika nandritra ny fikaonandoham-pirenena nokarakarain’ny Raiamandreny Mijoro sy ny vondron’olom-pirenena teny Ivato farany teo i Andry Rajoelina. Rehefa tonga tany io delegasiona io dia betsaka ny resaka nalefa teto, fa andaniny mandray anjara amin’ireo dinika sy asam-baomiera samihafa ny Malagasy, ankilany dia hanana anjara fitenenana mandritra ity fivoriambe faha-65 ity ihany koa, fotoana izay hahafahan’ny delegasiona hampahafantarana ny zava-misy marina eto sy hiantsoana firaisankina amin’ireo firenena mambra.

Dia nampiana fa hivoaka ny efitrano ity delegasiona Malagasy ity isaky ny misy fandraisana fitenenan’ireo firenena mpikambana eo anivon’ny SADC. Ny an’ireto farany anefa no tonga aloha. Nandefa taratasy any amin’ny filoha mpitarika ny fivoriana izy ireo, mampahatsiahy fa tazonina ary hamafisina ny sazy mihatra amin’ny mpitondra eto Madagasikara mandra-piverin’ny ara-dalàna, ary nilaza izy ireo fa tsy hilefitra amin’izany ary hentitra amin’ny fanapahan-keviny. Ny alarobia 22 septambra teo àry, raha nanao tatitra ilay diplaomaty soisa sady filoha mitarika ity fivoriambe faha-65-n’ny Firenena Mikambana ity, Joseph Deiss, dia nilaza fa nihemotra tsy handray anjara fitenenana eny ambony pilipitra manoloana ny mpivory ny solontena “Malagasy”.

Ka inona no marina, tsy niteny sa tsy navela niteny ? Hatry ny omaly aloha dia tsy nahazoam-baovao mikasika io ny teto an-toerana. Na ny Raiamandreny Mijoro na ny mpanao politika toa an’i Kolo Roland anefa dia samy nilaza fa fanararaotra ny fisian’ny fanasana toy ireny fa dingana mankany amin’ny fankatoavana iraisam-pirenena. Na tiana na tsy tiana anefa dia miharihary amin’izao ny lanja sy ny tanjaky ny vondrona SADC eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena, ary dia ho sarotra ho an’ny FAT ny hahazo mora foana izany fankatoavana izany raha mbola izao no fisehony. Tantara mitohy … 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT