Tampina ny daomy, hoy ny tanora izay, raha ny zava-misy eo anivon’ny fitsarana no jerena. Nirava maina ny dinika naharitra ora roa teo amin’ny biraon’ny SMM, notarihin’ny filohany Arnaud Auguste Marius sy Razanamahasoa Christine, ministry ny fitsarana teny Faravohitra omaly.
Nanohy ny fitokonany ny mpitsara. Nikatso ny asa teny Anosy omaly. Raha ny tao Toamasina aza dia 100% ny fanarahan’ny mpitsara ny fitokonana. Vao mainka naharomotra sy nahasorena azy ireo ny tenin’ny ministry ny fitsarana midika fandrahonana sy ny teny aely ataon’ny fitondrana FAT fa voabaikon’ny politika ny hetsiky ny SMM. Hanao fivoriambe ny SMM anio, ary voalaza fa ho avy eny hampita ny hafatr’i Adry Rajoelina ny ministry ny Fitsarana. Handefa iraka manokana ao Toamasina koa ny ministera anio hitondra taratasy avy amin’ny ministra Razanamahasoa Christine izany izy ireo, ary hiezaka ny hamono afo. Nilaza anefa ireo mpitsara mitokona fa “raha ‘réquisition’ ny taratasy dia misy fepetra efa horaisina, ary tsy hijanona ny raharaha fa hifampitory eny anivon’ny Filankevi-panjakana. Raha hamono afo fotsiny kosa dia efa mazava ny fangatahana, soniavo ny didy fampiharana ireo didim-panjakana momba anay dia mijanona ny grevy”. Ho hita eo anio raha ampy rano hamonoana afo ny FAT na vao mainka hanampy solika handrehitra ny afo efa miredaka eo anivon’ny fitsarana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.