Hanainga ato ho ato any ivelany ny minisitry ny raharaham-bahiny, Yvette Sylla.
Hamonjy ny fivorian’ny FAO fanao isan-taona any Rome Italia ary hifampidinika ihany koa amin’ny tomponandraikitry ny FIDA izay mpamatsy vola goavana antsika amin’ny sehatry ny fambolena ny tenany. Raha ny fanazavany dia mila ahetsika ny fiaraha-miasa amin’ireto mpiara-miombon’antoka ara-tsosialy sy fihariana ireto ahafahana misoroka ny tsy fahampian-tsakafo izay mandindona. Nihena be tokoa mantsy ny fanampian’ny FAO an’i Madagasikara hatramin’ny nisian’ny krizy. Raha ny FIDA manokana dia miisa 5 ireo tetikasa vatsiany vola eto ary nandritra ny fitondran’i Marc Ravalomanana no nahazoana ireo. Nahavita ezaka goavana amin’ny fampitomboana ny vokatra isika ka noraisiny ho filamatra mihitsy ary nahazo tohana maro kokoa noho ny firenena hafa. Izay no nahazoana ireo tetikasa maro hanatontosana ny fiovana maitso maharitra. Ny minisitry ny fambolena hatrany no mandray anjara amin’ny fivoriana iraisana amin’ireto mpiara-miombon’antoka ireto ka mahagaga ihany no lasa minisitry ny raharaham-bahiny indray no hisolotena an’i Madagasikara. Tsy matoky ny fahaiza-mandresy lahatr’i Vyvato, ministry ny fambolena ve sanatria ny FAT ka handefa olon-kafa ? Marihina fa na i Yvette Sylla na Vyvato Rakotovao dia samy tsy teknisianina na injeniera nandalina na koa manampahaizana momba ny tontolo ambanivohitra.
Raha hiverenana moa ilay dia hataony any ivelany io dia nambaran’ny lehiben’ny diplaomasian’ny FAT fa hotohizany any Afrika andrefana izany. “Ireo firenena miteny frantsay indray no haleha “lobbying” amin’ity rehefa vita ny fandresen-dahatra ny firenena miteny anglisy”, hoy izy. Noho ny antony ara-pandriampahalemana, araka ny nambarany ihany, dia tsy nanome ny lisitr’ireo firenena hotsidihany sy ny daty hanatontosany izany ny tenany. Azo heverina anefa ny hanombohan’izany amin’ity herinandro ity satria amin’ny faran’ny volana izao no hivory ny Vondrona Afrikanina izay handinika ny famahana ny krizy politika eto Madagasikara miainga amin’ny fehin-kevitr’i Sandton. Hila vonjy amin’ireo firenena Afrikanina ireo, araka izany, ny FAT mba hampilatsaka ny mizana any aminy mandritra io fivoriana eo amin’ny sehatra Afrikanina io. Raha ny tantaran’ny fifandraisana iraisam-pirenena dia i Sénegal, Cote d’Ivoire, Mali ary Burkina Faso no firenena manana fifandraisana akaiky indrindra amin’i Frantsa aty Afrika. Ny Reny malala izay efa tsy miafina ny fanohanany izao fanjakana izao no mety ho ao ambadiky ny fikarakarana ity dia any afrika andrefana ity. Noho ny toe-draharaha tsy mbola milamina tsara any Cote d’Ivoire anefa dia mety ry Wade ihany no hihaona amin’i Yvette Sylla.
Yves
Sary : Rtoa Yvette Sylla, lehiben’ny diplaomasian’ny FAT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.