Mbola niompana betsaka tamin’ilay fanapahan-kevitry ny SADC tany Sandton farany teo ny kabary tetsy amin’ny kianjan’i Magro Behoririka omaly.
Afaka ny ahiahy ary resahina eran’izao tontolo izao fa hiverina an-taniny ihany koa ny filoha roalahy, hoy ny Depiote Rodin. Ireo filoha ireo, indrindra i Marc Ravalomanana, no nanome asa ny vahoakany ary nampahiratra ny fireneny, hoy izy. Manakorontana ny sain’ny hafa anefa izany ka dia miteniteny foana izy ireo. Marina fa ny fifidianana no hamaranana ny krizy ary eo no ahitana ny mamim-bahoaka fa tsy ianareo irery kosa no hikarakara izany azafady. Mbola nampieritreritra ny mpomba ny fitondrana FAT izy tamin’ny filazana fa : tsy io ve ilay SADC naindraindra ? Izao toa miova fiteny ? Fa inona tokoa no atahoranareo an-dRavalomanana ? Ilay izy nahasahy nibebaka tamin’ny vahoaka ?
Tsy nisy izany tokoa eran-tany â ! Mazava ny resaka ankehitriny fa tsy azo ihodivirana ny fiverenan’ny filoha roalahy, hoy Ralaiseheno Guy Maxime nanohy izany, ka dia fantatra fa mikononkonona etsy sy eroa ny FAT fa tsy manaiky ny tapaky ny SADC. Hiampanga azy mantsy ny fodian’ireo Filoha roalahy ireo, indrindra fa ny an-dRavalomanana Marc, hoy i Sylvain, satria ny fiverenan’ny Filoha Ravalomanana sy Ratsiraka ary fivoahan’ny gadra politika no midika fankatoavana iraisam-pirenena. Vavolombelon’ny fampijoroana ny fahamarinana sy ny fiverenan’ny Filoha Ravalomanana no nijorona ka nody ventiny ny rano nantsakaina, hoy i Tsianihy. Miomàna hatrany amin’ny fahatongavany. Tamin’ny 1971 no nisy vehivavy voalohany mpitolona maty tany am-ponja. Ity tetezamita ity no fahefana nampigadra olona be indrindra nefa ny fampidirana vehivavy am-ponja dia fady.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.