Politique

FAT Diso lalana tanteraka !


  • Zoma 12 Aogositra 2011

Tsy misy afa tsy ny fananganana tetezamita iaraha-mitantana sy eken’ny rehetra ihany no vahaolana mahomby amin’ny krizy sy hahatafaverina an’i Madagasikara eo anivon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena.

 Ny fizirizirian’ny FAT amin’ny heviny no vao miha mahasarotra ny toe-draharaha. Tsy voafehin’i Andry Rajoelina sy ny ekipany intsony ny firenena ary mamofompofona fitokonana ny sehatra maro, io efa nanomboka azy io indray moa ny mpiasan’ny fadintseranana, ary mety mbola ho avy ny hafa. Ny any amin’ny foloalindahy amin’izany tsy tena milamina tsara fa misy lonilony sy ahiahy tsy hihavanana foana.

Mitsipaka ny hanatanterahana ny fifidianana Ben’ny tanàna ny SADC, izany hoe ny sehatra iraisam-pirenena, ary ireo firenena na mpandraharaha vahiny nanome toky fa hiara-miasa amin’ny FAT tsy hita popoka hatramin’izao fa toa nandalo dia niserana, singanina manokana amin’ireny ilay mpanefoefo. Saodianina ny printsy Al Alweed sy ilay mpandraharaha Frantsay Bernard Tapie. Sempotra mitady famatsiam-bola etsy sy eroa ny FAT ankehitriny saingy tsy mety mahazo fahafaham-po satria tsy misy firenena hiara-kiasa amina mpanongam-panjakana mibodo fahefana izany mihitsy, ary na misy aza ny fanomezan-toky dia tsy azo raisina avy hatrany ho fankatoavana na fanekena ny FAT izany. Fehiny dia ho sarotra ho an’ny FAT tarihan’i Andry Rajoelina ny hamita ity taona ity raha miziriziry amin’ny heviny izy ireo, satria na ny eto an-toerana na ny any ivelany dia efa milaza fa diso lalana ny tetezamita.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT