Politique

Faritra DIANA Tsy misy manaiky hiala ireo Ben’ny tanŕna


  • Zoma 01 Oktobra 2010


Nivory maika tao Ambilobe ireo Ben’ny tanàna ao anatin’ny Faritra DIANA ny faran’ny herinandro lasa teo. Ny Ben’ny tanànan’Antsiranana ambonivohitra, Johary Alibay, no nitarika ny fihaonana. 15 amin’ireo Ben’ny tanàna miisa 62 no tonga tamin’io. Ny fifidianana Ben’ny tanàna kasain’ny FAT hatao ny 20 desambra 2010 no votoatin’ny fihaonana. Araka ny fepetra napetraky ny FAT dia tsy maintsy mametra-pialana roa volana mialoha izay ben’ny tanàna am-perinasa te hirotsaka amin’io fifidianana io. Mandà izany ireto Ben’ny tanàna ireto. Ny fepetra teo aloha, dia ny fisintahana vonjimaika amin’ny fisahanana ny asa maha Ben’ny tanàna, iray andro mialoha ny fampielezan-kevitra ary miverina mandray ny asa aorian’ny fifidianana mandra-pisy ny famindram-pahefana amin’izay Ben’ny tanàna voafidy eo, no mety amin’izy ireo.

Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT