Politique

Faritra Atsinanana 4 hetsy eo ny isan’ny mpifidy


  • Alakamisy 14 Oktobra 2010


Raha ny tetiandrom-pifidianana nofaritan’ny FAT no arahina, dia omaly alarobia no tokony ho vita ny famaranana ny lisi-pifidianana vonjimaika ho an’ny faritra. Ho an’ny faritra Atsinanana dia ny talata teo tamin’ny 08ora alina no vita avokoa ny lisi-pifidianana rehetra ho an’ny Distrika miisa 7 sy ny Kaominina miisa 84. Miisa efatra hetsy mahery eo ny mpifidy ao amin’ny Faritra Atsinanana. Ireo lehiben’ny distrika fito nandalo niatrika fiofanana nampanaovin’ny CENI nandritra ny hateloana tao Toamasina, no hitondra izany lisitra izany hohamarinina any amin’ny Kaominina sy ny Fokontany niaviany avy. Ankoatra izay dia hisy amin’izay ny fitsidiham-paritra, hijery sy hanamarina ary hanara-maso ny fanomanana ny fitsapan-kevi-bahoaka ho avy izao, ka mandritra ny 07 na 08 andro no anaovan’izy ireo izany iraka manokana izany. Manomboka ny zoma izao koa izy ireo vao hijery sy hanara-maso ny lisi-pifidianana, izay ny ministeran’ny atitany tamin’ny alalan’ny faritra no nikarakara azy. 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT