Politique

Faritra Alaotra Vaky bantsilana ny bizina ataon’ny antoko TGV


  • Alarobia 10 Novambra 2010

Nihaona tamin’ny mpanao gazety ny alatsinainy 08 novambra teo, tao an-tampon-tanŕnan’Ambatondrazaka ny ben’ny tanŕnan’ny kaominina ambanivohitra ambodimanga (jese) RAHANKINARIVO Dod Marccellin sy ny kandida ho ben’ny tanŕna RAHELIARISOA Marie Eulalie namaky bantsilana ny tsy mety ataon’ny antokon’ny fitondrana amin’izao fotoana izao any amin’iny faritra Alaotra iny indrindra ny ao amin’ny distrikan’Amparafaravola.

Hanaovan’ireo tompon’andraikitra sasany eo anivon’ny antoko TGV bizina avokoa ny fifidianana izay ho loha-lisitra amin’ny fifidianana solombavambahoaka na izay hirotsaka ho kandida an’io antoko io amin’ny fifidianana izay ho ben’ny tanàna ho avy izao, araka ny filazan’izy ireo. Manodidina ny 30.000 ariary ny vola takian’izy ireo amin’izany.Tsy ny fandoavana ilay vola no olana ho anay hoy ny ben’ny tanàna Rahankinarivo Dod Marccellin fa ilay toe-tsaina izay tia kely  no mila fanitsiana.Notsiahiviny tamin’izany ny tenin’ny ray amandreny itompokolahy Monja Jaona nanao hoe: io tahaka ny bokotra akanjo , rehefa tsy mety ny any ambony dia mivaralila hatrany ambany.

Fantatra fa efa tamin’ny taon-dasa no nisy fitakiana vola mitentina 400.000 ariary ho an’ireo ben’ny tanàna izay mbola te hijanona amin’ny toerany. Tsy manohitra ny fitondram-panjakana izahay hoy izy mianadahy fa ny marina sy ny zavatra tsy mety tsy maintsy lazaina.Nahitsy ny filazan’ingahy ben’ny tanàna fa raha ho an’ny kaominina Ambodimanga (jese), Anorohoro, Tanambe ary Ambohitrarivo dia sahy hifampitana amin’izay ho kandida TGV amin’ny fifidianana izay ho ben’ny tanàna ary tsy ho faharoa na fahatelo io antoko io hoy izy fa tsy ho hita lisitra mihitsy. Lasa bizina avokoa arak’izany ny sehatra rehetra raha ho an’ity antoko TGV ity any Alaotra ka miteraka tsy fitoviam-pijery eo amin’ireo samy mpanohana ny fitondrana FAT izany.

Légende : Atoa Rahankinarivo Dod Marcellin sy Rtoa Raheliarisoa Marie Eulalie
Niry

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT