Nitatitra ny diany nandritra ny 20 andro tany ivelany teny amin’ny trano fonenany eny Faravohitra tamin’ny mpikirakira vaovao omaly ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc.
Fivahinianana nahazoana voan-dalana tsara ho an’ny mponina eto Antananarivo Renivohitra amin’ny ankapobeny. Hanampy ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana hanarina ny renivohitr’i Madagasikara mantsy ireo mpiara-miombon’antoka vahiny tahaka an’i Danemark sy Alemana. Fotoana ihany koa nampahafantaran’i Dada tamin’ireo tompon’andraikitra ambony mpitantana ny vondrona ACP-UE (Afrique,Caraïbes, Pacifique- Union Européenne) ny zava-misy iainan’ny vahoaka eto Madagasikara.
Fanehoan-kevitra mitanila
Teboka iray nasongadin’i Dada tamin’ny fihaonana tany Belzika ny tsy fisian’ny fanehoan-kevitra malalaka na fahafahana miteny eto Madagasikara. Voaresaka manokana ohatra ny fanagiazan’ny fitondram-panjakana ny haino aman-jery MBS (Malagasy Broadcasting System) izay takiana ny hanokafana azy tsy misy hatak’andro; na koa ny fanesorana ny fahefan’ny kaominina Antananarivo renivohitra eny anivon’ny fokontany. Tsy azo ekena ny fikasana fanonganana ben’ny tanyàna hoy i Marc Ravalomanana teny Faravohitra omaly. Efa voarain’ny vondrona ACP-UE moa ny antontan-kevitra momba izany ka hijery ny zava-misy eto Madagasikara ireo depiote vahiny ireo, hoy ny filoha nasionalin’ny Tiako I Madagasikara. Ny antoko TIM izay mirona betsaka amin’ny fampihavanam-pirenena mialohan’ny fifidianana, araka ny fanampim-panazavana teny Faravohitra omaly.
Fifidianana malalaka
Nohamafisin’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc teo anatrehan’ireo tompon’andraikitra ambony afrikanina sy eoropeanina tamin’ny diany tany Bruxelles moa ny maha-kandida ofisialy azy amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika amin’ny taona 2018. Ny Vondrona ACP-UE izay nanambara ny fanohanany ny fifidianana malalaka sy mangarahara eto Madagasikara. Efa manampy ny firenena Malagasy amin’ny fiatrehana io fotoan-dehibe io rahateo ry zareo eoropeanina toy ny fikirakirana ny lisi-pifidianana sy ny fampitaovana hafa ilaina amin’izany.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.