Mifarana ny 25 janoary 2019 ny fotoam-piasan’ny filoham-pirenena, milaza ny lalàmpanorenana fa tsy maintsy tanterahana ao anatin’ny
30 ka hatramin’ny 60 andro mialoha io 25 janoary io ny fifidianana ny filoham-pirenena vaovao. Midika izany fa tokony hatao eo anelanelan’ny 25 novambra ka hatramin’ny 25 desambra 2018 ny fifidianana. Tafiditra ao anatin’ny vanim-potoan’ny orana tanteraka anefa io ka raha misy ny filazana avy amin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana fa misy ny tranga na antony lehibe tsy azo hanoharana dia azo aroso na ahemotra io datim-pifidianana io. Mihevitra izahay ato amin’ny CENI, hoy i Thierry Rakotonarivo fa hatolotra ny parlemanta mialoha ny hifaranan’ity fivoriana ara-potoana voalohany ity amin’ny volana jona ny soso-kevitra amin’ny fanavaozana tanteraka ny lalam-pifidianana rehetra. Mandra-piandry izany anefa dia manana andraikitra lehibe amin’ny fampianarana sy fanabeazana ny olom-pirenena momba ny didy aman-dalàna mahakasika ny fifidianana ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI). Efa nisy moa ny fakan-kevitra nataon’ny CENI tamin’ireo herivelona rehetra momba ity resaka lalam-pifidianana ity ary mbola mitohy ihany koa ny fifanakalozan-kevitra momba ny zotram-pifidianana tahaka ny hotanterahana rahampitso alarobia eny amin’ny foiben’ny CENI.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.