Politique

Fanovana governemanta Misy minisitra efa mihorohoro


  • Alatsinainy 03 Jolay 2017

Efa tena mafampana ny resaka any an-dapa any amin’izao fotoana izao noho ny fivoahan’ny resaka amin’ny hanoloana ny mpikamban’ny goverenemanta.

Misy ny minisitra mahatoky tena fatratra fa hotazonina amin’ny toerany. Ao kosa ireo efa tena tsy mahita izay horaisina satria mety handao ny seza tsy ho ela. Misy amin’ireo tsy tena HVM no voalaza fa hodakana amin’ny toerany satria sady hanao propagandin’ny mpitondra amin’ny 2018 no tena hanovana izany ho olona tena akaiky ny HVM. Na izany aza anefa dia misy tsy olon’ny HVM hampidirina ao, ary olona mety ho avy amin’ny mpanohitra sy efa avy nitonona ho mpanohitra saingy nivadika nisolelaka mba hahazoana fahefana. Tanjona ny hampihenana ny herin’ny mpanohitra sy hitadiavana hery politika vaovao satria ireo ivelan’ny HVM ao anaty fitondrana, dia efa manomboka malemy sy tsy azo antoka ny tanjany ara-politika, ka tsy hatokisana ho hery hanampy amin’ny fifidianana. Ao ireo antoko politika miara-dia amin’ny fitondrana no efa miady an-trano. Ao ireo efa nanangom-bola fotsiny ary manomana ny fifidianana, izay mazava ho azy fa hitsipaka ny antokon’ny fitondrana.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT