Politique

Fanovana governemanta Mety ho aorian’ny fitsapan-kevi-bahoaka


  • Alakamisy 14 Oktobra 2010

Manezaka mametraka samirery ireo rafitry ny tetezamita araka izay nifanarahan’i Andry Rajoelina sy ireo mpanao politika teny Ivato ny 13 aogositra 2010 ary nohamafisina nandritra ny fihaonambem-pirenena ny 13 ka hatramin’ny 18 septambra 2010, ny Fahefana Avon’ny Tetezamita.

Vita iny ny fananganana ny Parlemanta (Filankevitra ambonin’ny tetezamita sy ny Kongresin’ny tetezamita). Ny lojika dia ny fanendrena praiministra no manaraka. Raha samy mitazona ny teniny dia miainga avy amin’ny maro an’isa eo anivon’ny Parlemanta ny anarana hisafidianana izay olona hitana io andraikitra io. Ny fanontaniana eto dia ny hoe : hotanterahina anatin’izao fampielezan-kevitra momba ny fitsapankevi-bahoaka amin’ny lalàmpanorenana izao ve ny fanendrena praiministra io ? Azo antoka fa misalasala ny hiroso amin’izany i Andry Rajoelina. Hisy fiantraikany amin’ny fanatanterahana ny fifidianana mantsy ny mbola hanovana governemanta indray. Fitsapana voalohany sady lehibe ho an’ny FAT, tao anatin’izay 18 volana nisiany izay, rahateo io fitsapan-kevi-bahoaka hatao amin’ny 17 novambra 2010 io.

Taorian’ny fananganana ny Parlemantan’ny tetezamita mantsy dia io no heverin’ny FAT fa handresena lahatra ny fianakaviambe iraisam-pirenena hahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena, ka hiverenan’ny fitokisan’ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika amin’i Madagasikara, ka hiverenan’ny famatsiam-bola indray. Raha izao izay no fisehony dia aorian’ny fitsapan-kevi-bahoaka, ary mety mbola ho aorian’ny fifidianana Ben’ny tanàna aza, raha hisy koa izany, vao hisy fanovana governemanta. Ny toerana enina banga, amin’ireo 256 ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita moa araka ny fantatra dia miandry na hatokana ho an’ireo ministra taloha (mbola hesorina). 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT