Matoam-baovao hatramin’ny fiandohan’ny taona 2017 ny tsy maintsy hirosoan’ny filohan’ny Repoblika amin’ny fanovana ireo mpikambana ao amin’ny governemanta.
Efa mandeha ny fifampiresahana eo amin’ireo Etamazaoro politika amin’izao fotoana izao, araka ny tsilian-tsofina. Samy manana ny fahitany io fananganana ny governemanta faha-4 ao anatin’ny Repoblika faha-IV ny fitondrana Rajaonarimampianina io ireo mpisehatra politika. Fanehoan-kevitra vitsivitsy :
Ravalomanana Marc (Tiako I Madagasikara) : «Miankina amin’ny tolo-kevitra ny hidirana na tsia ao anatin’ny governemanta. Fepetra takian’ny antoko TIM ny fanajana ny demokrasia eto Madagasikara miaraka amin’ny fitantanana mahomby. Tsy afaka hiara-kiombon’antoka amin’ny fanjakana manoloana ny firongatry ny fitsaram-bahoaka na koa ny fanaovan’ny any ivelany tsinontsinona ny firenena Malagasy ny Tiako I Madagasikara».
Yannick Ratsiraka (Arema) : «Afaka miasa ho an’ny firenena na tsy ao anatin’ny governemanta aza. Vonona anefa ny antoko Arema raha raisin’ny fitondrana ny soso-kevitra avy aminy ho fanasoavana ny vahoaka sy ny firenena. Tsy hiditra kosa izahay raha manjaka ny fomba fijery tokana».
Rakotomalala Henri «Riribe» (FEDeP) : «Fitondrana tsy mahomby ny manova governemanta isan-taona. Tsy misy afa-tsy ny fanovana toetsain’ny manampahefana no vahaolana. Mila hentitra sy manova famindra ireo fitondram-panjakana manoloana ny tsy fahatokisan’ny vahoaka azy intsony».
Nangonin-dRamano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.