Politique

Fanovana governemanta Hanadio tena sy hanao propagandy ny HVM


  • Sabotsy 25 Febroary 2017

Tsy mbola mety tanteraka ny fanovana governemanta hatramin’izao na efa ny fiandohan’ny volana janoary aza no nivoahan’ny resaka amin’ny hanovana azy.

Sahiran-tsaina tanteraka ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina na efa mandeha aza ny tsindry isan-karazany. Raha ny loharanom-baovao iray anefa, dia tsy maintsy hiroso amin’izany ny filoha. Fanadiovan-tenan’ny HVM manoloana ny tsy mety sy tsy fahafehezana ny firenena no ao ambadiky ny fanovana governemanta, ary hifantoka betsaka amin’ny fampandaniana ny filoha am-perinasa amin’ny taona 2018 no tena andraikitra hapetraka amin’izay ho mpikamban’ny governemanta manaraka eo. Tombanana ho HVM ranoray izany no handrafitra izany, ka mety hodakana amin’ny toerany avokoa ny ankamaroan’ireo mpikamban’ny governemanta avy amin’ny hery politika hafa satria tsy tena namana fa fitoniana ara-politika no tanjona tamin’ny fampidirana azy ireo tao. Vao mainka anefa hampihozongozona ny HVM izany satria hiha hitombo indray ny fahavalo, kanefa ny ao anatiny aza tsy voalamina. Re mantsy fa sahiran-tsaina tanteraka ny filoha amin’ny hanalana ny praiminisitra Mahafaly Olivier na dia efa misy aza ny tsindry avy amin’ireo olona akaiky azy ao an-dapa amin’ny handakana tanteraka ity lehiben’ny governemanta, izay efa re siosio fa handeha irery amin’ny fifidianana 2018 ity. Mbola tena ilain’ny filoha Hery Rajaonarimampianina anefa izy amin’ny pitsopitsony rehetra momba ny fifidianana hahafaha-mandresy amin’ny taona 2018. Raha tsiahivina dia dian-tanan’i Mahafaly Solonandrasana Olivier ny ankamaroan’ny asa rehetra nenti-nampandresy ny HVM tamin’ireo fifidianana nifanesy nanomboka ny taona 2013. Izy no minisitry ny atitany, izay nanao ny kajikajy ara-politika rehetra, toy ny resaka lalàna mifehy ny fifidianana nentina nanomezana tombony ny kandidam-panjakana. Tsy hita, araka izany, izay hanaovana azy na dia efa nisy aza ny resaka amin’ny handefasana azy ho ambasadaoro. Hanaiky lembenana izany ve ity praiminisitra sa hamaky ady tanteraka amin-dRajaonarimampianina sy ny ekipany ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT