Nandalo tany Antsalova-Faritra Melaky ny minisitry ny fahasalamana Pr Andriamanarivo Mamy Lalatiana ny sabotsy 15 sy alahady 16 oktobra 2016 teo
. Fanolorana moto miisa 2 sy taratasy fifanaraham-piaraha-miasa ho an’ny “Paramed” miisa 4 vavy no anisan’ny anton-diany, niaraka tamin’ny delegasionina miisa 80, nentina fiara tsy mataho-dalana niisa 25. Tahotra ny tsy hahazo olona sa inona; ? Nomena toromarika avokoa mantsy ireo Sefom-pokontany miisa 55 ao Antsalova samy hitondra olona 30 avy hanotrona ny minisitra. Nasiana fanamarinam-pahatongavana mihitsy sao misy mikilavaka. Ny olona ihany koa moa matahotra fanjakana ka dia manaiky tsy sazoka. Mba niandry vahaolana amin’ny asan-dahalo, mampitaraina ny mponina ny tao Antsalova, nefa tsy nanisy resaka momba izany ity solontenam-panjakana ity.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.