Nahoraka ny resaka fanonganam-panjakana saika hataon’ny miaramila ny alahady lasa teo. Na dia marisarisa aza ny fifandraisana eo amin’ny foloalindahy sy ny fanjakana dia maro ny mahita fa sinema no betsaka.
Ekena fa efa fanintelony izao ny resaka fakan’ny tafika ny fahefam-panjakana na ny fanoganam-panjakana ara-miaramila dia ny tamin’ny volana ferbroary sy may 2016 ary iny tamin’ny 2 septambra iny izay samy tsy nahomby saingy tsy azo ilazana fa tena fanonganam-panjakana ny zava-misy. Ireo herivelona manana hery politika matanjaka mety hanana herijika amin’izany dia efa samy naneho fa tsy hiditra amin’izany. Nanambara Atoa Marc Ravalomanana fa tsy hitarika olona hidina an-dalambe hanohitra sy hanongam-panjakana. Ingahy Andry Rajoelina ihany koa dia tsy eto an-tanindrazana ary toa tsy te hiditra lalina amin’izany resaka fanonganana izany noho izy mbola ao anatin’ny fanadiovan-tena tanteraka noho ny raharaha 2009. Ireo mpanohitra izay tsy sasatry ny miteny ankehitriny dia milaza fa tsy hanongam-panjakana. Izany zava-drehetra izany dia manamarina ny ahiahian’ny rehetra amin’ny kajy politika vaovaon’ny mpitondra. Maro mantsy no mahatsapa fa sinema nataon’ny fanjakana hahafahana mandaka ireo lohandohan’ny tafika tsy manaiky izay tian’ny mpitondra hatao ity resaka ity. Hambara fa tsy mahafehy ny olony sy tsy mahefa ny adidy iantsoroany izy ireo ka ho mora ny manala azy. Misy amin’ireo lohandohany rahateo no efa mijoro ho be mokon-doha ka tsy hanaiky hatao fitaovana ary izay no tena maha romotra ny mpitondra raha ny resaka mandeha. Tokony ho arofanina amin’ny fanintsiana ny dian’ny mpitondra izay tena mibirioka tanteraka ny foloalindahy sy ny tafika fa tsy sanatria izy ireo indray no ho mpiaro mahafatra-po na ho loharanon’ny korontana eto amin’ny firenena ka zava-dehibe ny fijoroany ho an’ny vahoaka na eo aza ny tsindry bokotra ataon’ny mpitondra.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.