Politique

Fanonganam-panjakana Sao mba tetika hifikirana amin’ny fitondrana ?


  • Alatsinainy 19 Aprily 2010

Vaovao nitana ny sain’ny maro ny filazana fa nisy nikotrika fakana ny Lapan’i Mahazoarivo, nataona andian’olona, nahitana miaramila sy sivily hotanterahina ny alin’ny alahady 18 hifoha ny alatsinainy 19 aprily amin’ny iray ora maraina, araka ny nambaran’ny lietnà kolonely Lyllison de Roland, talen’ny FIS.

Tetika fanonganam-panjakana avy hatrany moa no nilazana azy ity, ary tsy nihambahamba i Alain Ramaroson, filohan’ny vaomieran’ny fiarovana sy ny fandriampahalemana eo anivon’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, nanondro an’i Marc Ravalomanana ho ao ambadik’izany. Mahagaga, satria telo herinandro nisesy izay, no nandrenesana fikotrehana fanonganam-panjakana isaky ny faran’ny herinandro ary nisy anarana manamboninahitra voatonona mihitsy ho nikotrika izany, toy ny an’ny lietnà kolonely Charles Andrianasoavina sy ny jeneraly Noel Rakotonandrasana, ary izay mihitsy aza no nambaran’i Andry Rajoelina fa anisan’ny nanalana an’io jeneraly io tsy ho Minisitry ny fiarovam-pirenena ny 07 aprily 2010. Nisy, omaly alahady, ary nanao sesilany ny fisamborana olona. Rezervista sy sivily 15 lahy no sarona teny Ambohijanaka teny. Notaterina niala avy eo Mahamasina izy ireo. Vela-pandrika tamin’ny finday kosa no nahasamborana ireo miaramila (teny Andohalo) sy manamboninahitra am-perinasa (teny Tanjombato) nanampy azy ireo. Mbola misy anarana manamboninahitra dimy hafa, voalaza fa miverimberina ary mifandray tendro amin’izy ireo. Voatonona tamin’ity raharaha ity koa ny Hery Vonjitaitran’ny Zandary na FIGN eny Fort Duchesne sy ny RFI Ivato.

Miseho izany rehetra izany, 48ora taorian’ilay fipoahan-javatra tao amin’ny tobin-dasantsy iray etsy Tsiazotafo, sy ao anatin’ny fotoana mampamaivay ny adihevitra mikasika ny fihaonana kasaina hatao any Johannesbourg Afrika Atsimo amin’ny faran’ny herinandro ity. Nankalazain’ny ankolafy Rajoelina fatratra ny fisian’ity dinika ity, na dia milaza ho tsy mbola nahazo fanasana ofisialy ho amin’izany aza ireo tokony hihazo any Johannesbourg, araka ny filazan’i Guy Rivo Randrianarisoa. Ka eo no mampieritreritra amin’ny fisehoan-javatra toy itony. Toa mampahatsiaro ny nitranga tamin’ny volana jona sy jolay 2009, nentin’ny ankolafy Rajoelina nanamarinana ny tsy fandraisany anjara tamin’ny diniky ny efa-tonta tokony ho natao tany Addis Abeba ny volana jolay ny fisian’ny fipoahana baomba teto an-drenivohitra, ka nilazan’i Andry Rajoelina fa “tsy hifampidinika amin’ny mpampihorohoro” izy. Ny nanaitra tamin’ny fisehoan-javatra omaly koa dia ny nanehoan’ny fahitalavi-panjakana ankarihary ny endrik’ireo voasambotra izay fanosihosena tsotra izao ny zon’ny voapanga, satria sady tsy vita fanadihadiana no tsy mbola nandalo fitsarana izy ireo nefa naseho endrika. Milaza ireo mpitarika ny fisamborana fa tsy hotononina aloha ny anaran’ireo voarohirohy nefa ny endrik’ireo voapanga ireo miseho amin’ny fahitalavitra. Koa tsy hotandindomin-doza noho izany koa ny fianakavian’ny voapanga ? Farany, ny rehetra dia samy miaiky fa ny sehatra iraisam-pirenena dia tsy hankato velively ny fanonganam-panjakana. Ka eto no mipetraka ny fanontaniana manoloana ity tranga omaly ity hoe : iza marina no mahita tombontsoa amin’ireny, indrindra fa efa betsaka izay zavatra simba, rava, aina nafoy ary ra latsaka tato anatin’ny herintaona mahery nandrombahan’i Andry Rajoelina fahefana teto Madagasikara izay ? Sao mba tetika hifikirana amin’ny fitondrana ? Na izany aza dia tsy milamina ny tafika.
  
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

  • POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila mailo ihany ny tanora

  • RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Tsy nanao amboletra naka Fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT