Mila ho isan-kerinandro no andrenesana feo eto an-drenivohitra fa hoe saika nisy nanongam-panjakana indray, hono. Mety ho resabe na tsaho miely ilay izy, kanefa mety tena mitombina ihany koa na dia tsy nisy aza ny fanazavana amin’ny fomba ofisialy avy amin’ny manampahefana. Ny zoma 2 aprily teo, dia nihotakotaka ny teny Antaninarenina sy Ambohitsorohitra teny, satria nivoaka ary nirongo fitaovam-piadiana ny FIS sy ny mpiambina ny lapam-panjakana. Nohamafisina ny sakana ary hentitra dia hentitra ny fisavana ny kara-panondro sy ny fiara izay nifamezivezy teny. Voalaza fa toa hoe nisy andiana miaramila nivory teny Andohalo teny ny harivan’io ka nisy ny resaka niely fa mikotrika fanonganam-panjakana ny miaramila. Tonga tany am-pototsofin’ny tompon’andraikitry ny filaminana teo anivon’ny lapan’Ambohitsorohitra izany, ka dia naka fepetra avy hatrany izy ireo. Na ny mpanao gazety aza dia tonga vetivety teny an-toerana nijery ny zava-misy marina. Nijanona ho siosion-dresaka ihany aloha ilay izy, fa tsy tena tanteraka. Na izany aza dia matetika ity siosion-dresaka amin’ny fanonganam-panjakana ity, ary tato ho ato izay dia tsy maintsy handrenesana izany isaky ny faran’ny herinandro, ary voatonontonona ao anatin’izany foana ny miaramila, na andiana manamboninahitra sy mpanao politika vitsivitsy. Izany rehetra izany no mahatonga ny maro mieritreritra fa tena tsy milamina ny tany sy ny fanjakana ary manomboka mitombo ny fahavalon’ny fitondrana tetezamita sy i Andry Rajoelina manokana matoa tonga hatrany amin’ny fanonganam-panjakana ny resaka. Ary na dia miezaka ny mandamina ny sain’ny besinimaro aza ireo tompon’andraikitra miaramila maro samihafa dia mazava ny resaka fa tsy milamina izany mihitsy ny foloalindahy, ka raha tsy misy ny vahaolana haingana, dia atahorana ny hivakisany tanteraka atsy ho atsy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.