Politique

Fanonganam-panjakana Ho raikitra amin’izay ?


  • Alatsinainy 29 Mey 2017

Miala any indray ny fitakiana politika mikendry ny fiaraha-mitantana ny firenena noho ny fiheveran’ireo mpanao politika nivory tetsy Andrainarivo ny faran’ny herinandro teo fa tsy tokony ho ny HVM irery intsony no hitantana ny firenena

. Nilaza mihitsy ny vondrona vaovao “Hery ho an’ny Fanovana”, ahitana ny Dinika Fanavotam-Pirenena (DFP) tamin’ny alalan’i Tolojanahary Maharavo na Doudou fa ao anatin’ny 10 andro no hamitana ny sata hifanarahana amin’ny fiaraha-mitantana izay hampahafantarin’izy ireo ny sehatra iraisam-pirenena. Sinema indray ity sa vonona amin’ny zava-drehetra na inona na inona ataon’ny mpitondra ireto ? Vonona amin’ny fanonganana sy fandrodanana izao fitondrana izao ve ireo mpanao politika raha toa ka minia midingin-drambo sy tsy hanaiky lembenana amin’ny fiaraha-mintantana ny HVM ? Raha ny lojika politika mantsy dia tsy hanaiky lembenana ny fitondrana Rajaonarimampianina izay lany tamin’ny fifidianana demokratika. Efa maro ihany izay nilaza handrodana ny fitondrana izay fa tsy nisy tafavoaka ary mbola resaka no betsaka. Tsy azo tsinontsinoavina kosa ny fanehoan-kevitra sy fanehoan-kery narahina fanambarana goavana tahaka ireny fa efa mety manana ny hoenti-miatrika sy manatanteraka ny tanjony izy amin’ny fandrodanana ny mpitondra eto amin’ny firenena ; fandrodanana izay tsy voatery hoe hitrangana gidragidra sy poa-basy.Efa niaraha-nahita rahateo ny fanonganana ny filoha Rajaonarimampianina nataon’ny depiote herintaona mahery lasa izay saingy ny HCC no nanavotra an’ingahy filoha. Na ireo hery politika sy mpanao politika sokajiana ho manana ny tanjany eto amin’ny firenena aza efa somary miandany sy mankasitraka ny fanambaran’ity vondrona vaovao ity. Manampy trotraka ny hetsika sendikaly tombanana hirarakopana amin’io herinandro io, izay midika fa mafampana tanteraka ny toe-draharaha.


Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT