Politique

Fanomezana alalana Lasa ambanin’ny «Préfecture de police» ny Atitany ?


  • Alatsinainy 15 Novambra 2010

Mikorontana ambony ambany ary toa baikoin’ny politika ny fanomezana alalana na tsia amin’ny toerana famoriam-bahoaka.

Raha efa voaporofo izany tamin’ny tranga farany teo izay nisian’ny tsy fitovian-kevitra teo anivon’ny PDS sy ny «Préfecture de police» dia mbola miverina indray izany ary miakatra haavo ambonimbony kokoa. Ny momba ny hetsika saika hotontosain’i Monja Roindefo farany teo no tena manabaribary ny tsy fahaiza-mitantana intsony eo amin’ny fanjakana. Ny zoma dia nisy ny fampitam-baovaon’ny ministeran’ny Atitany izay nanambara fa rarana avokoa ny famoriam-bahoaka ankoatra ny fampielezan-kevitra manohana ny Eny na Tsia. Tsy niandry ela fa ny ampitson’iny ihany dia efa notsipahin’ny «Préfecture de police» indray izany fanapahan-kevitra izany. Nomeny alalana ny hanao famoriam-bahoaka eo Andohatapenaka i Monja Roindefo. Hatraiza izany ny fanarahana ny fenitra amin’izao fotoana izao ? Ary ny tena mampalahelo dia toa lasa mibaribary be loatra ny halako bika tsy tiako tarehy amin’izao fotoana. Nahoana ny Ankolafy Telo no tsy nandeferana mihitsy ary tonga hatramin’ny fisamborana ny mpitari-tolona aza, kanefa ingahy Roindefo dia nomena toerana soa aman-tsara ary ara-dalàna. Sa ve atahorana ny hamoaka ny tsiambaratelon’ny FAT dia somary tambatambazana kely ?

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT