Politique

Fanomanana ny Pretoria 2 Miara-miasa i Frantsa sy Afrika Atsimo !


  • Alakamisy 10 Jona 2010

Araka ny fantatra dia mbola mitohy fa tsy mijanona tsy akory ny asa fanelanelanana iarahan’i Frantsa sy Afrika Atsimo manao mba hikarohana vahaolana amin’ny krizy eto amintsika, amin’ny alalan’ny fampihaonana indray ireo filohan’ny ankolafy sy ny hifanarahan’izy ireo ny amin’ny fananganana ilay tetezamita iombonana sy iaraha-mitantana.

Efa notaterina teto ihany fa nisy ny fihaonana manokana tamin’ny filoha frantsay Nicolas Sarkozy sy ny filoha Afrikanina tatsimo, Jacob Zuma, nandritra ilay fihaonan’ny Afrika-Frantsa tany Nice ny faran’ny volana mey teo. Araka ny tsiliantsofina re dia hifanome tanana izy ireo amin’ny fanampiana ny vondron’ny mpanelanelana amin’ny famahana ity krizy ity. Na dia somary nisy ihany aza ny karazana don-tandroka nataon’ny Frantsay dia tsapa, araka ny fahitana ny fandehan’ny raharaha, fa tsy afa-manohitra ny hevitry ny sehatra iraisam-pirenena izy ireo, ary tsy afaka mandingana ny fanapahan-kevitra eo anivon’ny kaontinanta Afrikanina. Ny filoha Jacob Zuma rahateo dia fantatra fa hentitra ny amin’ny tsy maintsy hamahan’ny samy Afrikanina ity olana eto Madagasikara ity aloha fa tsy hisy ny fidiran’ny mpanjanatany fahiny amin’ny resaka rehetra atao.

Araka ny fantatra ary, dia mbola hotazonina ihany ireo hevi-dehibe rehetra tao amin’ny satan’i Maputo sy ny fifanarahana tovana tany Addis Abeba, amin’ny drafitra apetraka. Tsy maintsy hisy kosa anefa ny hevi-baovao satria efa maromaro ihany ny zava-nitranga tato ho ato izay. Izany rehetra izany no mbola ahafahana manambara fa tsy maintsy hihaona sy hifampidinika ary hiaraka hanasonia ilay fifanarahan’i Pretoria ireo filohan’ny ankolafy 4. Na dia efa nitsipaka izany aza i Andry Rajoelina dia azo antoka fa tsy maintsy handresy lahatra azy hiverina amin’ny teniny, tahaka ny fanaony indray ny Frantsay. Raha toa mantsy ka vita ny sonia, hita ny marimaritra iraisana ka tafatsangana ireo rafitra ao anatin’ny tetezamita iaraha-mitantana dia mety hiverina ny fanampiana sy ny famatsiam-bola, ary hofoanana ny sazy. Ny Vondrona Eoropeanina manokana dia efa nilaza fa raha tafaverina ao anatin’ny valan’ny  ara-dalàna ny eto Madagasikara ary voahaja ny zavatra rehetra nifanarahana amin’ny tetezamita, tahaka ny fanatanterahana fifidianana madio sy mangarahara, dia afaka mandinika ny hamerenana ny fanampiana izy ireo. 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT