Midina ifotony manomana ny olona amin’ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana rehefa nanao sesitany politika ny tenany nandritra roa taona mahery tao Afrika Atsimo ireo fikambanana ao anatin’ny Ankolafy Ravalomanana. Anisan’ny mavitrika amin’izany ny KMFB Atsimondrano. Tato anatin’ny herinandro maromaro izao dia miezaka mitety Fokontany izy ireo, mamoha ireo mbola matoritory ary koa mpifampizara vaovao hiatrehana ny fandraisana ny filoha Ravalomanana an-tanindrazana io. Anjaran’Anosizato Andrefana ny fanentanana tamin’ny sabotsy 30 jolay teo. Nisy ny fanelingelenana tamin’ny fomba samihafa tsy hahatanteraka izany, saingy tsy nampihemotra ny mpikarakara, satria “antsika vahoaka ny tanàna”, hoy i Liva. Nampiany fa “matoa isika ampitahorina sy enjehina dia atahorana”. Tsy miova ny tanjona, hoy izy dia ny famerenana an’i Dada, ka manana ny adidiny manokana amin’izany Atsimondrano. Nifanome tanana tamin’ny fanentanana teny an-toerana i Constant Raveloson izay nilaza fa “izao dingana misy antsika izao dia tsy andro fampitahorana intsony”. Ianareo, hoy izy, no vavolombelon’ny tranga teto ka tantarao ny nahazo anareo.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.