Politique

Fanomanana ny fifidianana 2018 Tany Côte d’Ivoire i Orlando Robimanana


  • Alatsinainy 03 Aprily 2017

Manomboka heno amin’ny sehatra politika i Robimanana Orlando, tale jeneralin’ny tahirimbolam-panjakana teo aloha.

Re mantsy fa miketrika mafy amin’ny firotsahan-kofidiany ho filoham-pirenena amin’ny taona 2018 ihany koa ny tenany amin’izao fotoana izao. Araka ny loharanom-baovao iray dia tany Côte d’Ivoire izy ny herinandro teo nitady mpiara-miombon’antoka ary voalaza fa nandalo tany Frantsa ihany koa, saingy tsy fantatra aloha hatreto na efa tafaverina eto an-tanindrazana na tsia. Voalaza ihany koa fa niara-dia taminy ny praiminisitra teo aloha Camille Vital, izay azo heverina fa hiara-dalana sy hifanohana aminy amin’ny 2018. Tombanana ho anisan’ny olona hampiasa volabe i Robimanana Orlando raha jerena amin’ny toerana efa niantsorohany. Amin’izao fotoana dia efa manomboka hita ireny karazana alimanaka izay misy ny sariny ireny, mba ho fampahafantarana azy sahady.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT