Mibaribary ankehitriny ny fananan’ny vondrona Mapar ahiahy amin’ny asan’ny Vaomiera manokana misahana ny fifidianana (CENI). Manontany tena ity vondrona ity hoe miankina amin’iza ny voamiera izay ambara fa mahaleotena, raha ny fanehoan-kevitr’Atoa Pierre Houlder omaly.
Avy aiza ny famatsiam-bola ary azo hambara ho tena mahaleo tena tanteraka ve ny CENI? Maso miara-mahita ny an’ny rehetra fa tsy mbola misy aloha izany fahaleovan-tena izany fa mbola eo ambany fiahiaan’ny fanjakan ity vaomiera ity ankehitriny. Tsy levon’ny vavonin’ny mpikamban’ny Mapar anefa izany. Nambaran’Atoa Pierre Houlder fa tsy tokony hiverina ny fampisana fitaovam-panjakana mandritra ny fifidianana ka tokony ho hentitra amin’ny fandraisana fepetra mikasika izany ny CENI. Minia tsy mahatsiaro sa mody manadino ny tantara ity mpanao politika ity ka tsy mahatadidy fa izany no paikadin’izy ireo fony nampandany Filoha ankehitriny. Mbola porofon’ny tsy fisian’ny lalao madio mandritra ny fifidianana eto amintsika ny zava-misy ary tokony handraisana fepetra manokana mba hisian’ny mangarahara sy hisorohana ny korontana ara-pifidianana eto amintsika.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.