Politique

Fanomanana fifidianana Nahazo 2,3 miliara Ariary ny CENI


  • Alarobia 14 Septambra 2016

Nosoniavina omaly teny amin’ny foiben’ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI eny Alarobia,

 

ny fiaraha-miasa eo aminy sy ny  sampandraharahan’ny firenena mikambana momba ny fampandrosoana na ny PNUD. 772.000 dolara na 2 355 372 000 Ariary no tetibola natolotry ny firenena mikambana aloha izany hatreto mba hahafahana manatontosa ilay tetikasa mikasika ny fiomanana amin’ny fifidianana  na « tan-tsoroka ny asa mialohan’ny fifidianana sy ho an’ireo mpandray anjara politika ». Araka ny fanazavana dia efa nisy ampahany nampiasana ity vola ity ary anisan’izany ny teo amin’ny lafiny fifampitam-baovao anatiny sy ivelany, hoy ny filohan’ny CENI, Hery Rakotomanana. Toy ny mahazatra moa dia nilaza ny avy eo anivon’ny PNUD tamin’ny alalan’ny solontenan’izy ireo, Violette Kakiomya, fa efa nanao fitrandrahana ireo matihanina hiara-kiasa amintsika izy ireo mba hanatontosana fifidianana mendrika sy mangarahara tokoa eto Madagasikara.


Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT