Tanjon’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena Misahana ny Fifidianana(CENI) ny hisian’ny fifidianana mangarahara.
Tafiditra ao anatin’izany indrindra ny fizarana sy fampahafantarana ireo zotra amin’ny fikarakarana ho fantary ny mpisehatra rehetra, ka ny antoko politika no nihaona tamin’ny Vaomiera omaly. Nampahafantarina ny mikasika ny fametrahana ny rantsamangaika eo anivon’ny faritra, ny fanomezana fankasitrahana ho an’ireo rantsamangaikan’ny CENI, izay hita fa mendrika tamin’ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana (RALE) 2016-2017. Napetraka ny Vaomieram-pifidianana eny anivon’ny faritra na ny “Commission Electorale Régionale” (CER) miisa 3 ny CENI. Eo ihany koa ny Vaomieram-pifidianana eny anivon’ny faritany (CEP), ny CER ary ny Vaomieram-pifidianana eny anivon’ny Distrika (CED). Ankoatra izay, nametraka fanamby ho amin’ny fahatomombanan’ny lisi-pifidianana ihany koa ho tohin’ny vokatra nahafa-po izay azo tamin’ny RALE farany teo izay nahitana taham-piakarana 6,33%. Noho io taha io dia hanolotra mari-pankasitrahana ireo izay nahitam-bokatra tsara ny CENI anio 18 mey 2017. Hisy ny fitsarana mitety vohitra hokarakarain’ny minisiteran’ny atitany mba hahafahana mampiditra ny lisitry ny mpifidy tokony hampidirina. Hapetraka ny sarintany ahitana ireo biraom-pifidianana 20 072 eto Madagasikara. Mijanona ho laharam-pahamehana ny hahatrarana ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana ho 10 tapitrisa. Hisy ihany koa ny fametrahana ny vovonana sy kaomity mpandrindra eny anivon’ny renivohitry ny Distrika 119 manerana ny Nosy,
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.