Sesilany ny fanehoan-kevitra manoloana ny tsy fandehanan’ny raharaham-pirenena. Nitondra ny heviny momba izany Atoa Rakotomalala Henri na Riribe, Filoha nasionalin’ny gadra politika omaly
. Nambarany fa tsy voatery fankahalana ny mpitondra ny fanehoan-kevitra fa kosa soson-kevitra hoenti-manarina ny firenena. Mandray an-tendrony sy tsy mahay mihaino ny mpitondra eto amintsika raha halalinina ny fanehoan-kevitr’ity mpanao politika ity. Zary raisin’ny mpitantana eto amin’ny firenena ho fanoherana bontolo ny zavatra hambaran’ny rehetra, indrindra fa ireo olona izay tsy dia mitovy fijery amin’ny fanjakana. Izay fomba fisainana sy fomba fijery izay no tonga aloha ka dia lamosina avy hatrany no setriny na dia ny mba hisian’ny fiovana sy hitondrana vahaolana aza no antony hitenenana. Zary famonoana sy fandrahonana no setrin’izany raha ny fanambaran’i Riribe ihany. Zon’ny Malagasy na olon-tsotra na mpanao politika no maneho hevitra amin’ny maha olom-pirenena azy saingy mbola lavitry ny kitay ny afo amin’ny hisian’ny mpitondra mahay mihaino sy manaiky ny hevitry ny maro raha tsy hilaza afatsy ny resaka Soamahamanina.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.