Dila ny fe-potoana 30 andro nangatahan’ny «Antso ho Fanavotam-Pirenena» na AFP hamindran’ny filohan’ny Repoblika ny fahefana amin’ny filohan’ny Antenimierandoholona.
Tsy niroso tamin’izany anefa ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery manoloana ny zava-doza sy mitranga eto amin’ny firenena toy ny fanapotehana isan-karazany, ny famonoana ny Malagasy ary ny fivarotan-tanindrazana. Hiditra amin’ny dingana avoavo kokoa manomboka izao ny AFP, araka ny efa nambarany ny 22 jona 2016 teny Antanimena ary nohamafisiny omaly teny Andavamamba. Tanjona moa ny hamarana faran’izay haingana ny fitondrana misy ankehitriny, araka ny fanazavan’ny filoha mpandrindra Razafimanantany Faniry. Miantso ny vahoaka rehetra tompon’ny fahefana ny fikambanana hampiasa azy io eny amin’ny Araben’ny fahaleovantena Analakely ny zoma 19 aogositra 2016 maraina.
Henkakenjana ny fanehoan-kevitra teny amin’ny Live Hotel Andavamamba omaly. Tsikaritra fa tena tapa-kevitra ireo mpitarika, izay nanamafy fa efa niala nenina ary tsy afaka intsony hanaiky ny be marenin’ny fitondram-panjakana manoloana ny fahoriana mianjady amin’ny Malagasy. Be loatra ny tsy rariny ka mila mijoro isika, hoy hatrany ry zareo avy ao amin’ny «Antso ho Fanavotam-Pirenena» ka aleo hampiseho ny tena heriny amin’izay ny vahoaka andriamanjaka.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.