Politique

Fanodinkodinam-bola Nanadio tena ny praiminisitra


  • Alatsinainy 22 Aogositra 2016

10 andro taorian’ny famoahana ny tatitra avy amin’ireo mpanara-maso ny fampandehanan-draharaham-panjakana miampanga ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Solonandrasana Mahafaly Olivier,

 

 ho nanodinkodim-bola mitentina 120.000 Euros ny taona 2014 dia namaly ny fiampangana azy ity olom-panjakana ambony. Nolazainy tao amin’ny Radio France International (Rfi) ary fa dia fiampangana miharo lainga sy tsy mitombina io voalaza io sady fihantsiana tsotra izao ny tenany ihany koa. Nambarany koa fa fanozongozonana ny fiandrianam-pirenena sy ny fitondram-panjakana mijoro izany. Marihina moa fa tamin’ny fotoana naha minisitry ny atitany ity praiminisitra ity no nisian’izay sahotaka ara-bola niampangana azy izay. Mipetraka ny fanontaniana ny mikasika ny antony mampipoitra ny raharaha, 2 taona taty aoriana raha misy ifandraisany amin’ny feo mandeha fa kasaina hoesorina sahady eo amin’ny toerany ihany koa ity praiminisitra mbola azo lazaina fa vaovao ity. Somary nahagaga koa anefa, nahoana no izao vao miaro tena ny praiminisitra ?

 

Faralahimatoa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT