Politique

Fankatoavana iraisam-pirenena Nanantena tsy nisy indray ny FAT


  • Zoma 17 Septambra 2010


Mavesatra amin’ny FAT ny zava-misy ankehitriny. Raha noheveriny sy ny Raiamandreny Mijoro, mpikarakara ny fihaonambem-pirenena sady irany rahateo, fa handeha mora foana ny fanatanterahana ny fivoriana teny Ivato dia betsaka ny tsy nampoizina “surprises” niandry azy ireo.

Nikomy ny mpizaika sasany, mila hifandramatra sy ho vaky ady ny hafa. Nisavoritaka ny fandrindrana sy fandaminana ankapobeny. Zara raha voadinika sy nahazoam-baliny ireo hevitra fototra handrafetana ny lalàmpanorenana. Tsy maintsy mahita vokatra anefa. Natao tefy maika avokoa ny ambiny sisa. Fa ny manahirana azy koa anefa dia ny fisosok’ilay taratasin’ny SADC tamin’ny alalan’i Joaquim Chissano ny 10 septambra teo, izay ho sakana lehibe amin’ny hahazoan’ny FAT fankatoavana iraisam-pirenena, nefa efa nandrandraina fatratra tamin’ny nanaovana ity fihaonambem-pirenena ity. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT