Nanomboka efa tonga halina teto an-drenivohitra ireo solontenan’ny Tiako i Madagasikara avy any amin’ny faritra hanatrika ny fankalazana ny faha-15 taona niorenan’ny antoko rahampitso sabotsy.
Anisan’izany ny avy any Toamasina, Morondava, Ambatofinandrahana. Fantatra ihany koa fa handefa solontena ireo distrika 9 misy any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, izany hoe ny avy any Toliara ka hitarika izany ny filohan’ny RegTim, Sazalahy Tsianihy. Antony 3 no fantatra fa nampirisika an-dry zareo ho avy amin’ity fankalazana ity dia ny hanehoana amin’ireo mpiara-mitolona fa vonona amin’ny firaisankina amin’ny rehetra ry zareo avy any Atsimo Andrefana sy vonona hifampizara traikefa ihany koa. Ao koa ny ny fampisehoana amin’ireo namana TIM manerana ny nosy fa mbola velona tanteraka ary mavitrika ny TIM any an-toerana sady vonona hiatrika ny zava-misy rehetra hitranga amin’io 8 jolay io. Haneho eo imason’ny rehetra avy any amin’ny Faritra hafa ny fahavononany izy ireo hampandany amin’ny ara-dalàna eo amin’ny 1er tour ny kandidà filoha Marc Ravalomanana amin’ny fifidianana hatao amin’ny 2018. Mbola hitohy anio ny fahatongavan’ireo delegasionina avy any amin’ny faritra izay efa vonona tokoa ny hiatrika ny fihaonambe eny Mahamasina.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.