Politique

Fanjakana Tetezamita tena izy ”Miala avokoa ny mpanao politika !”, hoy ny “Firaisana no hery”


  • Alarobia 25 Aogositra 2010

Manoloana ny toe-draharaham-pirenena dia tsy afaka ny hangina ny «Firaisana no hery» izay fivondronan’ny fikambanana 100 mahery manerana ny nosy. Namoaka fanambarana nosoniavin’ny solontena avy amin’ny fikambanana 5 ao aminy ity vondrona ity izay manohitra sy mitsipaka marindrano ny fanaovana tohatra fiakarana ny vahoaka madinika.

Takiany koa ny hanomezan-danja amin’izay ny fiainana ara-tsosialin’ny vahoaka. Miantso ireo tomponandraikitra rehetra ny «Firaisana no hery» hanafaingana ny famahana ny krizy fa mijaly loatra ny valalabemandry. Mba hampaomby ny fikatsaham-bahaolana anefa dia misy ny fepetra takiany toy ny fanajana tsy misy fepetra ny tsy fiandaniana sy ny tsy fitongilanana amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena. «Governemanta tsy manana fiandaniana na amin’ny mpitondra na amin’ny mpanohitra no tokony hitantana ny firenena satria izay ihany no antoka amin’ny fananganana tetezamita hiampiatana amin’ny Repoblika Fahefatra mafy orina sy tsara fototra”, hoy Andriamitandrina Jean Renaud, avy ao amin’ny RCM (Rassemblement des Chômeurs Malagasy). Nanamafy koa Ratsimandresy Etienne, filohan’ny MASA fa izay olona mahafeno ireo fepetra momba ny tsy fiandaniany ireo izay nomarihiny koa fa sady tsy mpanao politika kanefa afaka mamerina ny fahatokisan’ny mpamatsy vola no ilaina hitondra ny firenena. Raha ny fahitan’ny «Firaisana no hery» azy dia tsy mifanaraka amin’ny fenitra takiany raha ny endriky ny fanjakana sy ny governemanta am-perinasa amin’izao fotoana.

«Azo ekena ihany ny hijanon-dRajoelina ho filoha saingy mijanona ho raiamandreny tokoa izy fa tsy mandray anjara amin’ny fitantanana ny tetezamita. Ankoatra izay dia takiana aminy ny hanaovany fanambarana ofisialy fa tsy hiditra amin’ny raharaham-pirenena koa izy. Raha tsy izany dia tsy hilamina mihitsy ny firenena fa hisy hitsipaka hatrany ny valim-pifidianana handeha rehetra» araka ny fanambarana ihany. Nasian’ireto solontenan’ny fikambanana ao amin’ny «Firaisana no hery» ireto teny koa ny momba ny fihaonambem-pirenena izay ny CNOSC no hikarakara azy. Nambarany fa tsy mety raha ireto vondrona firaisamonim-pirenena ireto no anankinana ny fanelanelanana ny fihaonan’ny antoko sy vondrona politika satria mpanao politika fanta-daza sy vadina ministra taloha no mandrafitra ny Cnosc. Eo anatrehan’izany dia vonona ny «Firaisana no hery» hifanome tanana amin’izay tsara sitrapo rehetra handray an-tanana ny fikarakarana ny fihaonambem-pirenena.

 
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT