Politique

Fanjakana sy ny sendikan’ny mpitsara Tsy mbola milamina


  • Zoma 23 Jona 2017

Hiitatra any andafin’ny riaka ny akon’ny fitakian’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM) noho ny teritery isan-karazany ataon’ny manampahefana amin’ny asan’ny mpitsara Malagasy.

Hisy ny famelabelarana arahina adihevitra mikasika ny fitakian’ny SMM sy ny fahaleovantenan’ny fitsarana eto Madagasikara, hataon’ny filohan’ny sendika Fanirisoa Ernaivo any Frantsa ny 25 jona izao ary any Généve Suisse ny 7 jolay izao. Tsy vitan’izay fa hanatanteraka fivoriambe tsy ara-potoana eny amin’ny fitsarana an-tampony Anosy ihany koa ny SMM ny 28 jona izao. Hifantoka betsaka amin'ny fanapahan-kevitra horaisina manoloana ny fitakiana maro nataony sy eo anatrehan'ny tsy firaharahian’ny manampahefana izany ny lahadinika. Mbola maro ireo raharaha nampiaka-peo ny SMM, izay tsikaritra fa tsy mandeha araka ny niheverana azy amin’izao fotoana izao. Tsy dia nandrenesam-peo intsony anefa ny SMM manoloana ny famindran-toerana an’i Claudine Razaimamonjy any Manjakandriana. Omaly no nisian’ny hoe fidinana tany ifotony tany Manjakandriana notarihin’ny avy amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny fandraharahana ny fonja mba hanamarinana ny maha ao amin’ny fonja an’I Claudine Razaimamonjy, saingy narirarira ny mpanao gazety, ka maro no nisafidy hanao asa hafa noho ny endrika tsy firaharahiana. Tsy mbola tanteraka ihany koa ny fanenjehana ara-pitsarana ny loholona avy any Fianarantsoa Riana Andriamandavy VII, izay notorian’ny SMM noho ny resaka fandrahonana ho faty tany anaty tambajotra ara-tsosialy fesiboky sy raharaha hafa toy ny fitondrana andian’olona hanakorontana teny amin’ny Bianco … Notakian’ny SMM ny fifonana ampahibemaso ataon’I Riana Andriamandavy VII sy ny loholona Andrianjaka Goulzar lany tany Ampanihy, izay voalaza fa nandrahona mpitsara tamin’ny famoahana Ben’ny tanàna nampidirin’ny fitsarana am-ponja. Mbola maro ireo fitakiana saingy tsy nisy aloha ny tena tanteraka fa dia hodian’ny fanjakana tsy fantatra, ka tsy hay izay fanapahan-kevitra henjana horaisin’ny SMM ato ho ato.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT