Politique

Fanjakana Rajaonarimampianina Mpanome vahana ny kolikoly sy ny tsimatimanota


  • Alakamisy 18 Mey 2017

Nivoaka ny tatitra momba ny zon’olombelona sy ireo fahalalahana fototra manerantany avy amin’ny departemantam-panjakana amerikanina taona 2016.

Voaresaka ao anatin’ny takila 27 be izao moa io tsy fanajana ny zon’olombelona eto Madagasikara io. Voatanisa ao ny fahalemena na tsy fandraisana andraikitry ny governemanta amin’ny fampanjakana ny tany tan-dalàna manoloana ireo fanaparam-pahefana miseho amin’ny endrika samihafa.

Kolikoly sy tsimatimanota

Mijanona ho olana hatreto ny fomba fiasan’ny mpitondra fanjakana mahefa momba ireo tranga mampalahelo manohintohina ny zon’olombelona eto Madagasikara, hoy ny departemantam-panjakana amerikanina. Tsy mandray andraikitra feno amin’ny fanenjehana na fanasaziana ireo tompon’andraikitra manao fanamparam-pahefana mantsy ny governemanta, hoy ny tatitra. Sary efa fahita hatrizay ny fahasahiranana mianjady amin’ireo mpifonja, ny fitsarana tsy mahaleotena, ny fanavakavahana eo anivon’ny fiarahamonina, ny herisetra amin’ny vehivavy na koa ny fanolanan-jaza. Zava-baovao nanamarika ny enim-bolana faran’ny taona 2016 kosa ny firongatry ny fitsaram-bahoaka noho ny tsy fahatokisan’ny mponina ireo mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana intsony, araka ny fanamarihana ao anatin’ny antontan-kevitra. Tsy mitsitsy fitenenana ary tena masiaka mihitsy moa ny departemantam-panjakana amerikanina milaza fa mahazo vahana ny kolikoly sy ny tsimatimanota ao anatin’izao fitondrana Rajaonarimampianina izao.


Nangonin-dRamano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT