Lainga sy fitaka ary fampanantenana poak’aty no niainan’ny vahoaka Malagasy hatramin’ny 25 janoary 2014 nanaovan’ny filohan’ny Repoblika Rajaonarimampianina Hery fianianana teny amin’ny kianjambe monisipalin’i Mahamasina.
ny sekretera jeneralin’ny Vahoaka Miray. Novoizina mafy herintaona lasa, ohatra, fa hitera-bokatsoa ho an’ny fiarahamonina Malagasy ny fampiantranoana ny fihaonana an-tampon’ny Frankofonia. Niezinezina ihany koa ny fanambarana ny fahazoan’i Madagasikara vola 10 miliara dolara avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka ny volana desambra 2016. Mampisongadina ny fanjakana Rajaonarimpampianina ireo fandikan-dalàna isan-karazany hatramin’ny nijoroany. Goavana indrindra ny tsy fanajana ny fanehoan-kevitra malalaka izay mampahatsiahy ny fitondrana mpanjanaka 70 taona lasa mahery, hoy i Gaby Vakiniadiana.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.