Hotontosaina rahampitso alarobia 26 aprily any Antsiranana ny dinika politika hifanaovan’ny vondrona iraisam-pirenena sy ny governemanta Malagasy.
Tafiditra ao anatin’ny lahadinika ny resaka famatsiam-bola avy amin’ny Tahirim-bolan’ny Vondrona Eoropeanina momba ny fampandrosoana na ny FED andiany faha-11, izay mety hahazoan’i Madagasikara famatsiam-bola hatrany amin’ny 518 tapitrisa Euros. Fepetra apetraky ny vondrona iraisam-pirenena ny resaka fanajana ny zon’olombelona, ny fanafoanana ny kolikoly, ny fanajana ny demokrasia,…izay tsy misy sy tsy tanteraka eto amin’ny firenena aloha hatreto ary tsy ho tanteraka mihitsy raha mbola ny fanjakana HVM no mitondra eto. Antony iray lehibe tsy nivoahan’ny vola 10,2 miliara dolara, izay nireharehan’ny fanjakana fatratra fa ho azo taorian’ny dinika niarahana tamin’ny mpamatsy vola tany Paris Frantsa ny 1-2 desambra 2016, saingy tsy tanteraka mandrak’ankehitriny, ny laza ratsy tamin’ny resaka kolikoly sy ny tsy fanajana ny zon’olombelona eto amin’ny firenena. Nangina toy ny sosoa voatapo-drano ny fanjakan-dRajaonarimampianina ary tsy sahy nanohy iny resaka volabe iny intsony. Toa tsy misy fanantenana intsony ka ny farahery dia mitady lalana any amin’ny Sinoa sy ny Arabo. Tsy hay raha mba handaitra indray ny kobaka am-bava atao amin’ny Vondrona iraisam-pirenena amin’ity indray mitoraka ity, ka hipotsaka ny vola na hiala maina indray ny mpitondra tsy misy mpankasitraka noho ny laza ratsiny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.