Efa tonga amin’ny maripana ambony indrindra ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao.
Ny herivelona rehetra no efa tofoka amin’ny fitondrana. Sesilany ny fitakiana sy ny fitokonana noho ny tsy fandraisan’andraikitra. Iaraha-mahita ny fitakian’ny mpampianatra efa ho manerana ny nosy. Mananontanona ny fitokonan’ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana rehefa tsy nahazo rariny tao anatin’ny volana maro. Mampimenomenona vahaoka ny olana ateraky ny delestazy kanefa ny saran’ny herinatra midangana. Mbola mandranitra ny vahoaka amin’ny alalan’ny fiarovana ny sinoa izay efa manao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena ny fanjakana na dia efa sokajian’ny maro ho mpivarotra tanindrazana aza. Ny tsy fikambanan’ny hetsika no mbola mampijoro izao fitondrana izao satria voasakan’ny herim-pamoretana ny hetsika mandeha tsikelikely. Hikatso ny fampianarana raha mbola be marenina tsy mamaly ny fitakiann’ny mpampianatra ny fanjakana, hikatona ny fitsarana raha mbola tsy mivaly ny fitakian’ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana. Ny mpampianatra eny amin’ny anjerimanontolo ihany koa dia efa manao fanairana. Ahiana hikatso tanteraka ny fampandehanan-draharaha rehetra eto amin’ny firenena. Efa tapi-dalan-kaleha ny mpitondra ka tsy mahita izay ho raisina intsony.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.