Hampiantrano ny fikaonandohan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina momba ny kalitao avo lentan’ny fotodrafitrasa iarahana amin’ny governemanta japoney i Madagasikara ny 24 jolay 2017.
Mialoha izany ny atrikasa miompana amin’ny fampiasambola eo amin’io tontolo midadasika io ny 13 jolay 2017. Nifarana ny talata teo rahateo ny iraka fitsidihana narahina asa fanomanana ireo fivoriana in-droa miantoana nataon’ny delegasionina notarihan’ny tale misahana ny tetipivoarana iraisam-pirenena mikasika ny indostria fanorenana eo anivon’ny minisiteran’ny lafintany, ny fotodrafitrasa, ny fitaterana ary ny fizahantany Kazuko Ishigaki teto Madagasikara. Nifarana ny alakamisy teo ihany koa tao amin’ny foiben’ny DBSA (Development Bank of Southern Africa) ny fihaonan’ny delegasionina Malagasy tamin’ireo orinasa vaventy mpanambola tsy miankina ao Afrika Atsimo. Nandray anjara mavitrika kosa ireo sehatra tsy miankina eto Madagasikara toy ny FIVMPAMA, ny GEM, ny SIM,ny GEFP ary ny GFEM. Lasa fomba fiasan’ny fitondrana Rajaonarimampianina rahateo moa ity fangataham-bola amin’ny mpandraharaha tsy miankina ity nanomboka tamin’ny fikaonandoha tao Paris ny volana desambra 2016 nisitrahana tonom-bola 10 miliara dolara.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.